Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Oktobra, 2015
Mahatonga fanontaniana maro ao Bangladesh ny fanafihana tamin'ny baomba ny fivorian'ny Shiita tao Dhaka
Voatatitra fa nilaza tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tamin'ny alalan'ny baomba tao Hussaini Dalan, izay nahafatesana olona iray sy naharatrana olona maherin'ny enimpolo ny Fanjakana Islamika.
Kanadiana aloha: Mpifindramonina Somali iray nahazo toerana tao amin'ny Parlemanta
Mpifindramonina tafiditra ao amin'ny vohitry ny Parlemanta: Ahmed Hussen no Kanadiana voalohany manana fiaviana Somali tafiditra ao amin'ny Parlemantan'i Canada.
Fihaonambe Ho An'ny Fandriampahalemana Tao Ankara: Fipoahana Nahafatesana Olona 86 Raha Kely Indrindra
Ny fanafihana tamin'ny 10 Oktobra teo no goavana indrindra teo amin'ny tantaran'i Tiorkia, nitranga indrindra raha mbola eo ampikarakaràna fifidianana hatao ny 1 Novambra ny firenena, izay toa sarotra tanterahana raha ny fahitàna azy.
Nitsipaka Ny Didim-pitsarana Voalohany, Namonjy Vehivavy Nijangajanga Voaheloka Hotoraham-bato Ny Fitsarana Tampony
Nandray fepetra haingana ny Fitsarana Tampony ao Maldives mba hitsipaka ny didim-pitsarana hamono ho faty vehivavy iray noho ny fijangajangana.
Manao Hetsi-panoherana Amin'ny Fisian'ireo Toby Miaramila Ao Anatin'ny Sisintaniny ireo Bielorosiana

Miaraka amin'ireo hetsika mafy miisa 500 any Minsk renivohitra, sy hetsika bebe kokoa ao amin'ny media sosialy, mamoaka ny heviny manohitra ilay vinavinanà tobim-pamaharan'ny tafika an-habakabaka Rosiana hatao eo amin'ny tany Bielorosiana ireo Bielorosiana.
Namono Olona Dimy Tao Amin'ny Moske Shiita Ao Arabia Saodita Ny Lehilahy Mitam-piadian'ny ISIS
Nanafika moske tao Saihat, ao amin'ny faritany atsinanan'i Arabia Saodita tamin'ny alin'ny Zoma 16 Oktobra ny lehilahy mitam-piadiana ISIS, nahafaty olona dimy sy nandratra olona sivy izy alohan'ny nahafatesany voatifitry ny polisy.
Mpikatroka ao Myanmar Migadra 5 Taona An-tranomaizina Noho Ny Famazivaziana Ao Amin'ny Facebook Ny Fanamian'ny Tafika

Nampitaha ny fanamiana vaovaon'ny tafika amin'ny fitafy nentim-paharazana fanaon'ny lehiben'ny mpanohitra sady mendrika tamin'ny Nobel Aung San Suu Kyi ny lahatsoratra Facebook.
Inona Momba Anao Manokana Moa Rehefa Siriana Ianao?

"Ahoana no fomba hanavahana ny ampahany an'ny tena manokana sy ny an'ny daholobe ao anatin'ny habibianao manoloana ireo izay te-hamono anao fotsiny noho ny ezakao hametraka ny zonao manokana sy ny an'ny daholobe?"
Fandresena Miezinezina Tsy Nampoizina Ho An'ny Antoko Eo Amin'ny Fitondràna Any Singaporo
Nahazo fandresena miezinezina ny antoko eo amin'ny fitondrana any Singaporo, izay efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1959, tamin'ny fifidianana solombavam-bahoaka farany teo. Maro no gaga tamin'ny vokatra.
Manao Hetsi-panoherana Ny Fanimbàna Ny Alan'i Prey Lang Ireo Moanina ao Kambodza
"Tsy afaka ny hangina ireo moanina amin'ilay olana anefa hita izao ny taha mampiahiahy amin'ny fandripahana ny ala."