Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Oktobra, 2014
Mitady Kamiao Tafondron-drano Roa Hovidiana Ny Polisy Kambojiana Hanoherana Fihetsiketsehana
Miahiahy ireo mpikatroka ny zon'olombelona fa hampiasaina hamoretana ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fanaovana akanjo ireo kamiao mpitondra tafondron-drano itadiavana tolo-bidy ao Kambodza.
Bilaogy Tumblr: Ireo Mampihomehy Amin'ny Fampielezan-kevi-pifidianana Ao Tonizia
Iza no tsy hihomehy amin'ny hoe "ny fadiranovana, fanantenana hoan'ny taranaka" na ny antoko mitady "hampanao hasoavana ny andrim-panjakana fiarovana sy ny fitsarana ary ny fitantanana” ?
Toa Tsy Mahatsiaro Mankalaza Ny Faha-20 Taona Nahatongavan'ny Filoha Jammeh Teo Amin'ny Fitondrana Ny Gambiana
Mikarakara fankalazana mandritra ny folo andro ho fanamarihana faha- 20 taona nahatongavan'ny filoha Gambiana mpanao didy jadona, Yahya Jammeh teo amin'ny fitondrana i Gambia.
Ny Zavatra Nampianarin'ny Fikarakaràna Zaridaina Ahy Momba Ny Andraikitry Ny Olom-pirenena Vanona
Nandray lesona marobe tokoa ity tonian-dahatsoratsika ity, izay teraka tany Karaiba ary mipetraka any Trinidad, raha nikarakara ny zaridainany. Mizara voa valo nitsimoka tanatin'ny feon'ny fieritreretana maha-olom-pirenenana azy izy eto.
Instagram, Toerana Hiadiana: Jamaikàna Artista Mpanao Reggae Mifanandrina Amin'ny Minisitry ny Zavakanto Sy Ny Kolontsaina
Ohatra iray mampiseho ny fomba fanovàn'ireo mediam-bahoaka ny fomba hifandraisan'ireo mpanao politika ao Karaiba amin'ny vahoaka ireo zavatra vao haingana nataon'ireo mpiasam-panjakana ireo.
Hetsik'ireo Mpianatra Manohitra Ny Fanadihadiana Ratsy Tantana Ny Fihetraketrahana Ara-nofo Tafahoatra Any Andrefan'i Bengal
Nanao hetsika tampoka sy nahomby ireo mpianatra avy amin'ireo toeram-pianarana hafa sy ireo solontenan'ny vahoaka mba hanehoan'izy ireo ny tsy fankasitrahany tanteraka ny fomba nitantànan'ireo manampahefana ilay tranga-nà fanaovana habibiana farany teo.
Hiady hevitra Momba Ny Lalàna Mandrara Ny Tomboka Vatsa Amin'ny Lamosin'ny Vehivavy Ireo Mpanao Lalàna Rosiana
Tsy zava-baovao any Rosia ny fizahozahoan'ny lehilahy sy ny fankahalàna ny fifankatiavan'olon-droa mitovy fananahana, saingy sarotra ny minia tsy hijery fa miaraka tanteraka amin'ny firehana manohitra ny fiovàna ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ilay ezaka vaovaon'ny Domà mba hiarovana ireo vehivavy amin'ny tomboka vatsa.
Mampandohalika An'i Jamaika Ilay Otrikaretina Tsikongonià
Miatrika fanairana ara-pahasalamana mampidi-doza i Jamaika, raha manamafy ireo bilaogera fa mety hampiasaina ho fantsona fampitàna vaovao mahomby mba hanabeazana ny vahoaka momba ireo risika ny Mediam-bahoaka.
Maminaviana ny Hampandroso Ireo Nosy “Goat” I Jamaika Na Dia Eo Aza Ireo Hetsi-panoherana Miaro Ny Tontolo Iainana
Nandefa fangatahana fanaovan-tsonia tany amin'ny UNESCO ireo mpitantana an'i Jamaika, kanefa nitarika famadihana palitao ny fampiasam-bola 1,5 lavitrisa $. Voafatotra amin'ny FMI, mety ho be loatra ny vola ka sarotra ny hamela azy.
Nanaraka ireo Mpifanolo-bodirindrina Aminy Ao Azia Atsimo-Atsinanana Amin’ny Fametrahana Lalàna Hentitra Momba Ny Aterineto i Laôsy.
Mihevitra ny kiana atao amin'ny politikan'ny governemanta ho toy ny asa ratsy ilay lalàna vaovao ary mandrara ny "Fanaparitahana vaovao izay manova ny marina na manimba ny fahamendrehana sy ireo zon'ny tsirairay, ny sehatra maro, ny ivon-toerana samihafa sy ireo fikambanana maro."