Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2013
Manome Famatsiam-bola Ho An'ny Hetsi-panentanana Hikarohana Ny ‘Nofinofy Shinoa’ i Shina
Nahazo famatsiana akademika ho an'ny fikarohana ny "Nofinofy Shinoa", fampielezan-kevitr'i Shina nalaina avy amin'ny nofinofy Amerikana, izay manindry ny Antoko Kaomionista ho ilay làlana tokana mankany amin'ny fiandrianana.
Mbola Velona Tsy Misy Toy Izany Ny Adin'ilay Poeta Aimé Césaire
Nifanindran-dalana tamin'ilay fivoahan'ny didim-pitsarana an'i Trayvon Martin ny fahatsiarovana ny nahafatesan'i Césaire. Mandinika ny fifandraisan'izany i Amadou Lamine Badji ato amin'ity lahatsorany voalohany ho an'i Global Voices ity.
Raha Toa Izao Daholo Ny Rosiana, Iza Intsony No Hila “Trolls / Mpandranitra” ?
Milaza i Pavel Astakhov, ilay mpiaro ny zon'ny zaza ao Rosia fa misy ny fahafahana mandefa zaza kamboty Rosiana any Avaratr'i Caucase mba hatsangana any.
Nodimandry I Roberto Beličanec, Masedoniana Iray Manampahaizana Manokana Amin'ny Serasera, Mafana Fo Sady Bilaogera
Namoy ny ainy tamin'ny fijanonan'ny fony tampoka [mk] ny 29 Jona 2013 teo amin'ny faha 41 taonany i Roberto Beličanec, Masedoniana manampahaizana manokana amin'ny serasera, mafana fo sady bilaogera. Beličanec dia iray tamin'ireo olona vitsy niteny imasom-bahoaka momba ny fahalalahana sy ny zon'olombelona ao amin'ny fireneny, sahy nilaza ny marina tamin'ny Mpitondra [mk]. Nanana mpanara-dia maro izy tao amin'ny filazam-baovao sosialy noho ny fahasahiany hanohitra ny fanararaotam-pahefan'ny mpitondra, ny kolikoly, ny sivana ary ny lahateny manevateva
Manamafy Ny Fifandraisany Amin'i Shina Ny Fitsidihana Ataon'ny Filoha Nizeriana
Misy milaza fa noho ny tsy nitsidihan'ny filoha Obama ny tany Nizeria no nitsidihan'ny filohan'i Nizeria ny tany Shina nandritra ny herinandro maninjitra. Nandà izany kosa ny tao amin'ny seraserany tamin'ny filazana fa efa herintaona no nanomanana ity fitsidihana ofisialy ity;
Saodiana Mafana Fo Taitra Tamin'ny Fandraràna Tampoka Ny Diany Teny An-tseranam-piaramanidina
Tsy navela hivoaka an'i Arabia Saodita ilay mafana fo sady mpanao gazety, Iman Al-Qahtani, ho fanasaziana azy tamin'ny fanentanany sy ny fanohanany ireo reformista mpitaky fiovàna.
Vehivavy Mpanohana an'i Morsi Maty Nisy Namono Tao Mansoura
Nisy fihetsiketsehan'ny mpanohana an'i Morsi iray tao Mansoura notafihan'ny andian-jiolahimboto, izay nahafatesana vehivavy telo farafahakeliny sy naharatra am-polony. Maneho hevitra amin'ilay fanafihana ny Mpiserasera.
Ramadany Amin-dRa Mandriaka Araka ny Fijerin'ny Artista Ao Syria
Lahatsoratr'i Thalia Rahme nadikan'i Jentilisa miresaka ireo "sanganasa" miompana amin'ny volana Ramadany tsy fahita amin'ny firenena be silamo hafa.
Tanzania: Jery Todika Ny Fiomanana Tamin'ny Fitsidihan'i Obama
Niverina tamin'ny andavanandro i Dar es Salaam, roa andro taorian'ny nandraisany ilay lehilahy tsy iadian-kevitra fa mahery eto amin'izao tontolo izao : ny Filohan'i Etazonia Barack Obama. Nanerana ireo làlana tao an-tanàna ny sarin'io lehilahy io.
Borian'i Tailandy ny Fanampiana mikasika ny Vidim-bary
Nanambara ny governemanta any Tailandy fa mihena ny famatsiam-bola ho an'ny vary izay nomeny ireo mpamboly efatra tapitrisa. Natao hampitombo ny tahirin'ireo mpamboly izany. Manameloka ilay tetikasa fitsinjovana ny voka-bary ho niteraka ireo fatiantoka goavana ara-bola teo amin'ny sehatry ny fambolem-bary ireo mpitsikera.