· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2013

Hongria : Mpanao Politika Namono Vady, Alika Jamba No Meloka

Novelesin'i József Balogh, mpanao politika iray amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna Hongroa ny vadiny ary tsaboina any amin'ny toeram-pitsaboana. Nambarany fa naronjon'ny alika jamban'ny fianakaviana izy, nefa ilay vehivavy nilaza fa novonoin'ilay mpanao politika izy. Mandinika ny momba ireo memes sy ny adihevitra nahatonga io olana io i Marietta Le.

Manao Fihetsiketsehana Hahazoana Fisotroan-dRonono Tsara Kokoa ny Mpiasa Boliviana

  18 Mey 2013

Mihahenjana ny toe-draharaha any Bolivia raha mitokona mitaky fisondrota-Pisotroan-dRonono ny mpitrandraka, mpampianatra, mpiasan'ny fahasalamana ary ny mpiasan'ny oniversitem-panjakana -izay mpikambana avokoa ao amin'ny Foiben'ny Sendikàn'ny Mpiasa (COB) avokoa. Maro ny lalana stratejika ao La Paz sy ny manodidina an'i El Alto no tratran'ny barazy ary voafetra ny isan'ny fiara fitaterana...

Nampisinda Vetivety ny Tsy Fitovian-kevitra Ara-politika Ao Pakistan Ny Ratra Nahazo An'i Imran Khan

  17 Mey 2013

Mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amin'ny kibay) manana ny lazany, niofo ho mpanao politika i Imran Khan, nahasarika tanora marobe sy mpifidy avy ao andrenivohitra ny fampielezan-keviny mampanantena “Pakistana Vaovao” tamin'ny famoriam-bahoaka nokarakarainy ho entina hiatrehana ireo fifidianana ankapobeny ao amin'ny firenena, saingy fotoana fohy alohan'ny hanaovany kabary, nianjera 15 metatra avy eny amiin'ny kalesy...