Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2013
Nampanotany Tena ny Eran'ny Aterineto Ny Tweet Mifono Hevi-Dalin'ilay Politisiana Tao Arzantina
Nisioka tambatarehimarika misitery tao amin'ny kaonty Twitter-ny ny filohan'ny Antoko Sosialista tany Arzantina sady efa nanao kandidà ho filoham-pirenena tamin'ny fifidianana farany indrindra teo, ny Dr. Hermes Binner. Efa voakosoka...
Hong Kong : Mafàna Fo Nogadraina Noho Ny Fandoroana Sainam-Pirenena Shinoa
Voasazy sivy volana an-tranomaizina ilay mafàna fo ao Hong Kong tamin'ny Alakamisy noho ny nandoroany sy nandrovitany sainam-pirenena Shinoa sy sainam-pirenena Hong Kong nandritra ny hetsika in-droa miantaona nanoherana ny governemanta kaoministy ny tanibe , nanaitra ireo maro mpiserasera amin'ny aterineto hampiakatra ny fanivaivàny ny sainam-pirenena Shinoa amin'ny nahim-pony ho fanoherana ilay sazy mavesatra..
Paragoay Taorian'ny Fahafatesana Tampoky Ny Mpifaninana Ho Fidiana Ho Filoha, Lino Oviedo
Maty nianjera tamin'ny angidimby nandehanany tamin'ny Sabotsy 2 Febroary 2013 tany avaratr'i Asunción i Lino César Oviedo, jeneraly Paragoaiana misotro ronono sady mpanao politika. Maty ihany koa ny mpanamory sy ny mpiambina azy.
Instagram An'ny Filoha Tchetchen?
Sarotra ny hahamarika ny kaonty Instagram an'i alihan777 amin'ny voalohany. Nahamarika ilay anaram-bositra tamin'ny alalan'ny siokan'ny namana ilay mpanentana malaza ao amin'ny fahitalavitra Rosiana Tina Kandelaki tamin'ny 8 Janoary 2013, saingy tsy nanome famantarana...
Fanandramana Noklearin'i Korea Avaratra, Satroka Antitra ho an'i Koreana Tatsimo
Nanamafy i Korea Avaratra tamin'ny talata fa nahavita ny fanandramana nokleary fahatelo, izay nahazoany fanamelohana avy amin'ny fiarahamonina iraisampirenena sy nampihenjana kokoa ny tadim-pifanolanana efa misy ao Azia Atsinanana. Ilay fanapoahana,...
Espaina : Fandresena eny an-kianja sy amin'ny Aterineto Ho Fanoherana ny Fandroahana
Vitan'ny Sehatr'ireo Lasibatry ny Fanaovana Antoka (PAH), niaraka tamin'ny hetsika ara-tsosialy goavana ny nampanovan'ny Kongresy ny lalàna momba ny fanaovana antoka espainola. Resy tosiky ny vahoaka, nifandamina tao amin'ny fanentanana an-tserasera, #ILPescrache, nataon'ny PAH ihany ny Antokom-Bahoaka.
Mametra-pialàna ny Papa, Miforitra Amin'i Putin Ny Rosiana
Noho ny tsy fisian'ny fahalinana loatra amin'izay ho fiantraikan'ny fametraham-pialàn'i Benedict eo amin'ny finoana Katolika dia naleon'ny RuNet nanao ny fialamboly mahafinaritra azy, ny hanihany.
Mpanao Fihetsiketsehana Nandoro Ny Tenany, Mankalaza ny Fahatsiarovana ny Revolisiona i Yemen
Andro vitsy mialoha ny faharoa-taona nitsingerenan'ny revolisiona Yemena, nanao sorona ny tenany tamin'ny fandoroana azy i Munif Al-Zubairy tao andrenivohitra Sanaa, mba haneho firaisankina amin'ireo revolisionera naratra tao amin'ny firenena. Atiaf Al Wazir...
Kolombia: Mbola Mipoapoaka Ny Basy ao Medellín
Miatrika toe-draharaha sarotra momba ny filaminam-bahoaka ny tanànan'i Medellin. Ao Comuna 13 [es] no faritra tena voantonontonona, andrenesana fifandonana marobe isak'alina [es] tamin'ny fiandohan'ny herinandro tamin'ny volana Febroary. Nanjary niha-ratsy hatrany ny toe-draharaha satria noterena nampiato ny...
Manafàna Ny Adi-hevitra Momba Ny Fanivaivàna Mpanjaka ny Raharaha Somyot
Taorian'ny nitazonana azy nandritra ny 21 volana sy ny tsy namelana azy hahazo fahafahana vonjimaika in-12 misesy dia nomelohin'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava ao Bangkok ho nanitsakitsaka ny lalàna tamin'ny fanivaivana ny...