Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2012
Iran: Manodidina Ilay Sarimihetsika Anti-Islamo Ihany
Miara-dalana ny fitondrana sy ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana ao Tehran mitaky amin'ny fitondrana ao Etazonia hanameloka ilay sarimihetsika manohitra ny Islam, Ny Tsy Fahalalàn'ny Miozolomana. Niteraka fihetsiketsehana mahery vaika any amin'ny firenena maro ilay sarimihetsika.
Libanona: Mozea Virtoalin'Ny Sivana
Mirehareha ho manana Mozea Virtoalin'ny Sivana ankehitriny i Libanona, rakitra an-tserasera momba ny sivana niseho tao Libanona nanomboka ny taona 1940. Ny fikambanana Libaney MARCH no nanangana sy nampahafantatra ny tranokala mba...
Arzantina: “Ampy izay” Hoy Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Ny Politikan'ny Governemanta
Ho setrin'ny antso natao tany anaty tambajotra sosialy, nanatrona ireo fihetsiketsehana goavana natao tamin'ny 13 Septambra tany amin'ny faritra samihafa tao amin'ny firenena ny vahoaka, mba hanoherana ireo politika vao haingana nolanian'ny governemantan'i Cristina Fernandez de Kirchner
Tontolo Arabo: Tohina Tamin'ny Famonoana Ny Ambasadaoro Amerikana Tao Benghazi
Nanameloka ilay fanafihana tsy am-piheverana nahazo ny Kaonsilin'i Etazonia tao Benghazi, Libya tamin'ny alin'ny Talata 11 Septambra 2012 ireo mpikirakira aterineto nanerana ny tontolo Arabo. Amerkana efatra, ka isan'izany ny Ambasadaoro Christopher Stevens, no maty raha nitifitra balafomanga tany aminy ireo mpitolona, nandritra ny fotoana nitondràna azy ho amin'ny toerana azo antoka, taorian'ny fotoana naha-fahirano ny tranoben'ny kaonsily.
Libya: Azafady Ry Chris, Tsy Naharo Anao i Benghazi
Andian'olona Libyana vitsy no nivory teo amin'ny kianja Al Shajara ao Benghazi ny andron'ny 12 Septambra 2012ho fanoherana ny fanafihana tao amin'ny Kaonsilàn'i Etazonia. Amerikana efatra, ka ao anatin'izany ny Ambasadora...
Bahrain: Efa Raràna Fa Mbola Manohy Ny Hetsi-panoherana Ny Mpanohitra
Taorian’ny fiatoana naharitra telo volana mahery noho ny fandàvan’ny minisiteran’ny Atitany (MOI) hanome fahazoan-dalana ny fihetsiketsehana na diabe kasain’ny mpanohitra atao, notontosain’ny fikambanana ihany ny famoriam-bahoaka faharoa tao amin’ny araben’i...
Arabia Saodita: Mandà Ny Fanaovana Fitsarana Tsy Atrehim-Bahoaka Ireo Mpitarika Reformista
Notanterahina ny 8 septambra ny fotoam-pitsarana fahatelo ireo mpitarika Saodiana malaza amin'ny fiarovana ny zon'olombelona. Nanapa-kevitra ny mpitsara nandritra ny fotoam-pitsarana teo aloha fa tsy hatao ampahibemaso intsony ny fotoam-pitsarana manaraka. Nanapa-kevitra ny handao ny fotoam-pitsarana ny Reformista mpiaro ny zon'olombelona
Espaina : Sintonin-dry Zareo Ny Sakafo Mba Homena Ireo Sahirana
Juan Manuel Sánchez Gordillo, solombavambahoaka ao Andalozia, mpikambana ao amin’ny Antoko Ankavia Miray (IULV-CA), solontena nasionalin’ny antoko mpiaro ny mpiasa (CUT-BAI) sy ben’ny tanàna andalò ao Marinaleda , ary mpikambana an-jatony avy...
Iran: Nampidirina Hopitaly Ilay Mpitarika Ny Green Movement Nofonjaina
Nahiditra hopitaly tamin'ny Alakamisy 23 Aogositra 2012 noho ny "aretim-po" i Mir Hossein Mousavi, mpitarika sangany eo amin'ny Green Movement izay kandidà reformista tamin'ny fifidianana filoham-pirenena nahabe resaka tamin' 2009 ary koa mpitarika ny antoko mpanohitra tamin'ny korontana taorian'ny fifidianana.Noraràna tsy hivoaka ny tranony i Mir Hossein Mousavi nandritra izay 520 andro lasa izay.
Afrika Frankôfôna: Ny Ivotoeram-Piofanam-Pitantanam-Panjakana
Tamin’ny volana Febroary 2001, lany nandritra ny fivoriambe tany Windhoek, ao Namibia ny Sata Mifehy ny Asam-panjakana ao Afrika (PDF). Efa-polo taona taorian'ny fahaleovantena, mampiseho ny fahataran'ny fanomezan-danja ny fitantanam-panjakana momba ny...