· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2012

Kolombia: 13 Taona Taorian'ny Namonoana An'i Jaime Garzón

  20 Aogositra 2012

Nisy namono tamin'ny 13 aogositra 1999 ny mpanao gazety, mpahay lalàna ary mpandala ny fandriampahalemana Kolombiana Jaime Garzón Teloambinifolo taona taty aoriana mbola tsy voavaha ny raharaham-pamonoana an'i Garzón. Mahatsiaro an'i Garzón ny Kolombiana ary mitaky ny rariny isaky ny andro ahatsiarovana ny namonoana azy.

Libya: Lanonana Fifamindram-Pahefana Nakorontan'ny Resaka Hijab

Nisy olana nanamaloka ny lanonam-pamindram-pahefana teo amin'ny Filankevi-Pirenena Tetezamita Libyana sy ny mpikambana 200 vao voafidy ao amin'ny Kongresim-Pirenena ankapobe: Ny mpiandraikitra ny arofenitra tamin'io fotoana io dia vehivavy mpanolo-baovao tsy manao voaly Sarah Elmesallati, izay nodidiana handao ny sehatra rehefa nivoaka tao amin'ny lanonana ny mpikambana parlemantera Islamista iray...

Koety: Ny Vahoaka No Mahalala Kokoa

Naneho ny esoesony momba ny fomba amam-panao taloha be amin’ny fanomezana fahefana feno ho an’ny zokiolona, na ny  Shaikh [Sheikh] ny mpiserasera  Koesiana. Ho famakiana izany fomba amam-panao izany, nisioka tamin’ny alalan’ny tenifototra #الشعب_أبخص‏ [ar], midika hoe “Ny Vahoaka No Mahalala Kokoa” izy ireo. Mpanolotra fandaharana amin’ny televiziona Koesiana iray...

Maraoka: Manampy Ny Mpianatra Hitondra Fiovana ny Aterineto

Tamin’ny volana Jolay lasa teo, vondrona mpianatra Maraokana nampahafantra pejy Facebook antsoina hoe “Ny Firasain’ny Mpianatra Maraokana Mba Hanova ny Rafi-pampianarana” (Fanafohezan-teny amin’ny teny frantsay: UECSE). Fitambarana tanora Maraokana ny vondrona izay mikendry ny “hirotsaka an-tsehatra, sy hiadihevitra momba ny vahaolana mahomby ho fanatsarana ny rafi-pampianarana”. Tao anatin’ny iray volana latsaka,...

Arabia Saodita : Miaro Ny Haja Amam-Boninahitry Ny Vehivavy Siriana?

Ny 11 Aogositra dia nandefa bitsika i Bader Al Domiat avy any Arabia Saodita fa misy Siriana vavy mananontena manodidina ny 300 eo ho eo mitady vady. Niteraka hatezerana teo amin'ireo Saodiana mpikirakira aterineto ilay hafatra, izay niala tsiny tamin'ireo Siriana rahalahiny ary nanameloka mafy an'i Al Domiat, izay avy hatrany dia nampihantona ny kaontiny tao amin'ny twitter.

Tonizia: Sidi Bouzid Mitroatra. . . Indray

Sidi Bouzid, ilay tanàna Toniziana niaingàn'ny onjanà revolisiona tany amin'ny tontolo Arabo efa ho herintaona sy tapany mahery, dia toa mangotrangotraky ny andianà hetsi-panoherana vaovao indray. Manosika ny vahoaka ireo olana ara-toekarena, sosialy sy politika, ny vahoaka izay maneho tsy fahafaham-po misonga hatrany amin'ny governemanta eo an-toerana amin'izao fotoana.

Zambia: Pretra Katolika Voaroaka Noho Ny Toriteny Momba Ny ‘Fahantrana’ Nataony

  15 Aogositra 2012

Pretra Katolika avy amin’ny paroasy ao amin’ny faritany Ambanivohitra ao Atsinanan’i Zambia no noroahin’ny governemantan’i Zambia hivoaka ny fari-pirenena noho ny sermona nataony indray Alahady izay nilazany fa miha-manankarena ny mpanankarena eto amin’ny firenena ary miha-mahantra hatrany kosa ny mahantra Nalaina tao Lundazi i Fr.Viateur Banyangandora 40 taona, talohan’ny nametrahana azy...

Libya: Afomanga No Nanamarihana Ny Herintaonan'ny Fahafahana Ao Tripoli

Nankalaza ny fahafahan’ ny firenena tamin'ny fitondran'i Muammar Gaddafi nandritra ny 42 taona ny Lybiana androany alina. Nibahana tamin'ny resaky ny mpiserasera ny fankalazana ary nizara ny fihetseham-pony avy izy ireo tamin'izany. Nifanindran-dàlana tamin'ny faha-20 andron'ny Ramadana, volan'ny fifadiankanin'ny Miozolomana ny androany alina, andron'ny fahafahana tao an-drenivohitra Libyana, Tripoli sy andro nandrodanana ny fangejan'i Gaddafi,...