Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2011

22 Desambra 2011

Rosia : Fandinihana Ny Mety Ho Hamafin'ny Korontana Amin'ny Hetsi-panoherana Ny Asabotsy Androm-pifidianana

Akon'ny RuNet

Koa satria ny toe-draharahan'ny voka-pifidianana Rosiana sy ny momba ireo mpanao fihetsiketsehana voatazona manerana ny firenena dia mbola tsy voavaha, dia mponina avy amin'ny tanàna maro no niomana hanao fihetsiketsehana ny Asabotsy 10 Desambra 2011.. Alexey Sidorenko dia nandinika ny isan'ireo vondrona anaty aterineto sy ny mety ho fiantraikan'ireo hetsi-panoherana.

19 Desambra 2011

Syria: AFAKA ilay bilaogera Razan Ghazzawi!

Navotsotra ny alina teo ilay Siriana bilaogera, taorian'ny nandanianty 15 andro tany am-ponja Siriana. Ghazzawi, izay manoratra bilaogy avy ao Syria eo ambanin'ny tena anarany marina , dia nosamborina tany amin'ny sisintany manasaraka an'i Syria sy Jordania, raha iny izy an-dàlana hanatrika atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety hatao...

18 Desambra 2011

Lahatsary: Mamaly ny Media Amin'ny Alalan'ny Webcam i Afovoany Atsinanana

Maneho hevitra Amin'ny Fahitalavitra ao Moyen Orient (Talk Back TV Middle East), fomba iray ahafahan'ny olona ao Moyen-Orient sy Afrika Avaratra mamaly sy  maneho hevitra ao amin'ny fahitalavim-panjakana voafehy sy amin'ny fampahalalam-baovao mampiasa webcam sy solosaina fotsiny. Nohazavaina tato amin'ny maneho hevitra amin'ny tranokala (talk back website ny fandehan'izany: Mahita zavatra...

Pero: Lahatsary Ahitana ny Fihetsiketseham-panoherana ny Fitrandrahana, Andiany I

Fihetsiketsehana vao haingana manohitra ny fahapotehan'ny tontolo iainana noho ny fitrandrahanana harena an-kibon'ny tany ao Però no nitarika ny fampiasana fitaovam-pahalalam-baovao marobe, tamin'ny alalan'ny fanentanana sy famoahana lahatsary nalain'ny olom-pirenena nandritra ny hetsika, ahitana ny fahamaizana niseho sy ny sisa maro hafa izany. Manampy amin'ny fahazoana mazava tsara ny zava-misy mikasika...

16 Desambra 2011

Iran: Aiza ny Mpiara-mianatra Amiko?

Maro ireo seza banga ao amin'ny oniversite ao Iran, sezan'ireo mpianatra izay tsy hita popoka ankehitriny. Tsy afaka nandia ny fianarana ny sasany noho ny resa-pinoana, toy ny mpikambana ao amin'ny finoana vitsy an'isa, Baha'i izay enjehina, ny hafa kosa nogadraina noho ny fanaovana politika, novonoina teny an-dalana, na noterena handao an'i...

Tontolo Arabo: Arahabaina i Tonizia!

Ilay mpitolona ho an'ny zon'olombelona, Moncef Marzoiki, 66 taona, no voafidy ho filoha vonjimaika hitantana an'i Tonizia nanomboka ny 13 desambra. Mpanohitra izy ary nogadraina sy natao sesintany nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Zeine El Abidine Ben Ali, hitondra an'i Tonizia izy mandram-pandrafitra ny lalàm-panorenana vaovao, sy ny fifidianana...

Polonina: Miresaka Momba Ny Tolo-dalàna Hampidirana Indray Ny Fanamelohana Ho Faty Ireo Mpiondana Aterineto

Ilay mpitarika ny antoko mpanohitra lehibe indrindra ao Polonina dia nanambara fa mankasitraka ny fampidirana indray ny fanamelohana ho faty ho an'ireo "heloka bevava mahatsiravina." Ary na dia ny filazàna faran'izay bitika momba izany fomba fijery ny sazy faratampony izany aza dia mety horaisina ho làlana iray enti-mandrombaka mpifidy, kanefa...

15 Desambra 2011

Pakistana: Ny fahafatesan'i Nusrat Bhutto

Nisaonana nanerana ny firenena ny fahafatesana vao tsy ela an'' i Nusrat Bhutto, vehivavy voalohany ary koa vadin'i Zulfiqar Ali Bhutto. Nambara tamin'ny fomba ofisialy fa andro tsy iasana izany mba ho mariky ny fisaonana , izay niteraka onjana fihetseham-po teo amin'ny mpisera Twitter manontany ny tena hevitra ambadik'ity hetsika...

14 Desambra 2011

Tanzania: Mibilaogy sy Mibitsika ny Tanzania@50

Ny ampahany lehibe indrindra amin'ny taniben'ny Repoblika Mitambatr'i Tanzania, Tanganyika, dia feno 50 taona. Aty anaty aterineto, mankalaza izany ireo bilaogera sy mpandefa bitsika sady misaintsaina izay hoavin'i Tanzania.

13 Desambra 2011

Rosia : Ny Fitroaran'ireo “Hamsters”-n'ny Aterineto

Akon'ny RuNet

Ny ampitson'ny androm-pifidianana, ireo Rosiana dia nivondrona mba hikomy ho fanoherana ny hosoka tamin'ny fifidianana. Na dia ho very seza 77 aza ny Antoko Rosia Mitambatra (United Russia) oharina amin'ny Duma teo aloha, araka ny vokatra vonjimaika, ny ankamaroan'ireo mpikomy dia mihevitra ilay fifidianana ho sady tsy madio, no tsy...