Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Oktobra, 2011
Ejypta: Manaraka Akaiky ny Fifidianana ao Tonizia
Ny revolisiona Toniziana no nialoha ny revolisiona Ejypsiana, ary nanomboka tamin'izany, nanintona ny Ejypsiana ny tolona mankany amin'ny demokrasia nataon'i Tonizia. Ary ankehitriny ny Toniziana – na ao an-toerana na ivelan'i Tunisia – miomankomana amin'ny fifidianana ny mpikambana eo anivon'ny antenimieran-dalampanorenana izay hanendry ny governemanta vaovao ary hamolavola ny lalampanorenana vaovao...
Arzantina: Cristina Fernández de Kirchner Voafidy Indray Ho Filoham-pirenena
Ny fifidianana filoham-pirenena tany Arzantina tamin'ny 23 oktobra teo no nahazoan'i Cristina Fernandez de Kirchner fandresena goavana, araka ny vokatra vonjimaika. (Jereo ny lahatsoratra tao amin'ny Global voices mikasika ny vokatra tamin'ny volana aogositra nijerena izay hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena). Nanomboka niparitaka ny mety ho vokatry ny fifidianana taorian'ny nikatonan'ny birao fandatsaham-bato tamin'ny 6...
Ejipta: Ny Valinteny Nomen'i Torkia Tamin'ny Fanontanian'Ireo Kiorda, Raha i Erdogan Miteny ao Kairo
Ny lahatenin'ny Praiminisitra Tiorka Tayyip Erdogan momba ny firotsahan'ny fanjakana Palestiniana ao amin'ny Ligy Arabo dia nadika mivantana tamin'ny alalan'ireo mpikambana aminà tranonkalan-tambajotra sôsialy, dia ny Twitter izany, ho an'ireo izay miteny Arabo na Tiorka. Tatitr'i Ruwayda Mustafah.
Tonizia: Vokatra Vonjimaika Manome Tombony Ny Islamista
Ny vokatra vonjimaikan'ny fifidianana tamin'ny 23 Oktobra tao Tonizia dia sahala amin'ny manome tombom-bato betsaka ho an'ny Antoko Islamista Ennahdha. ny fanisàna ny vatom-pifidianana dia mbola mitohy, ary andrasana ho tafavoaka amin'ny Talata tolakandro izy ireny.
Tonizia: Fihetseham-po sy Filaharana Lava dia Lava Tamin'ny Fifidianana
Voasokitra ao amin'ny tsiaron'ny mpifidy Toniziana, izay nameno ny birao fandatsaham-bato hatry ny vao maraimbe, ny andro androany [alahady]. Nifidy ny antenimieram-panorenana handrafitra ny Lalampanorenan'ny Firenena ny Toniziana. Tsy nahakivy filaharambe rehefa vonona ny hanana izay tiana holazaina amin'ny fomba itondrana ny firenena.
Tontolo Arabo: Mifampiarahaba Amin'ny Fifidianana Ao Tonizia
Nahazo fihobiana tsara avy amin'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny Toniziana, amin'izao fotoana handehanany hifidy ireo mpikambana 218 ao amin'ny antenimieran-dalàm-panorenana izay hisahana ny famolavolana ny lalàm-panorenana ao amin'ny firenena, ary hanendry ny filoha sy ny governemanta vonjimaika. Manan-tantara ny fifidianana satria voalaza ho toy ny ‘fifidianana malalaka voalohany ao...
Tonizia: Fihaonana Amin'ny Tantara
Handeha hifidy ny Antenimieran-dalàmpanorenana ny Toniziana androany, solontena misahana ny famolavolana ny lalàmpanorenana vaovao sy ny fanendrena ny governemanta vaovaon'ny tetezamita. Tamim-kafaliana no nandatsahan'ireo Toniziana rehetra maneran-tany vato tao anaty vata tamin'ity andrana demokratika ao amin'ny firenena ity, izay arahin'ireo Arabo manerantany akaiky. Fotoana talohan'ny fifidianana, naneho ny fihetseham-pony ireo mpamaham-bolongana manoloana ity andro mana-tantara ity....
Frantsa: Manokatra Ny “Fikambanan'ny Fanondro Manga” Ny Toniziana Any Am-pielezana
Mifarana izao ny telo andro natao hifidianana ho an'ireo Toniziana monina any ivelany ary nananganany "vondrona fanondro manga" any amin'ny tambajotra sosialy. Mampidera ny fanondrony miloko manga ireo Toniziana mpifidy tany Frantsa - porofo fa anatin'ny fikambanan'ireo mpifidy tany ampiandohan'ireo fifidianana ny "assemblée constituante" Toniziana manan-tantara ry zareo.
Espana: Ny Tolon'ny 15 Oktobra Sy Ny Tatitr'ireo Haino Aman-jery
Tena nahavory olona maro tokoa tany Espana ny fihetsiketsehana maneran-tany ny 15 Oktobra izay nitaky ny fampiharana ny tena demokrasia sy nanohitra ny kolikoly ataon'ireo orinasam-pitantanam-bola. Ato amin'ity lahatsoratra ity, aborakay ny fomba nitateran'ny sasany tamin'ireo haino aman-jery espaniola izany hetsika izany, sy ny adihevitra teo amin'ireo mpampiasa aterineto.
Tonizia: Andro fifidianana androany!
Mandia andro manan-tantara ireo Toniziana androany. Andro fifidianana izay handehanan-dry zareo any amin'ny birao fifidianana, hifidy "assemblée constituante" nasionaly, zay hisahana ny fanoratana lalàm-panorenana vaovao, sy ny famoronana governemanta vaovao. Indreto misy santionan-kevitra tamin'ny andro nialoha ny fifidianana.