Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2011
Libya: Tapatapaka ny fandaharan'ny fahitalavi-panjakana libyana
Satria mihazakazaka ny fandehan'ny raharaha avy any Tripoli dia manely ny vaovao farany avy ao Libya ny mafana fo avy ao amin'ny valan-tserasera mba hahalalantsika marina izay mitranga ao. Aza miala eto hanarahanao ny antsipiriam-baovao.
Tontolo Arabo: “Assad, Ianao no Manaraka an'i Gaddafi!”
Eo andala-pahataperana haingana ny fitondran'ny mpitari-tolona Libyana Muammar Gaddafi, dia mivantana any amin'ny filoha Syriana Bashar Al Assad indray ny fampitandreman'ny mpisera Twitter ary mitaky ny hialany amin'ny fitondrana ihany koa. Misiokantsera i...
Libya: Tapitra ny lalao ry Gaddafi
Miditra any Tripoli renivohitry ny firenena ny revolisionera Libyana. Miavaka mihitsy ny fientanetanana an-tserasera, miaraka amin'ny fitabataban'ny Twitter feno hiaka sy horakora-pifaliana manisa ny segondra farany hiandrasana ny fialan'i Gaddafi eo amin'ny fitondrana. Miely ny feo fa efa nametraka ny fitaovam-piadiany sy nitolo-batana ny andia-miaramila misahana ny fiarovana azy.
Tonizia: ” Mitaky Fitsarana Mahaleotena ny Vahoaka”
“Mitaky fitsarana mahaleotena ny vahoaka" io no hevi-dehibe nohindrahindraina tato ho ato teny amin'ny araben'i Tonizi. Afef Abrougui nijery ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogera taorian'ilay famotsorana ireo minisitra roalahy sady namana akaiky an'ilay lehilahy matanjaka Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ary nahatonga antso hanaovana hetsi-panoherana maro hatrany ny famotsorana azy.
Trinite & Tobago: Fahatsiarovana An'i Profesora Julian Kenny
Ny Talata lasa teo, 9 Aogositra,Trinité sy Tobago dia very tia tanindrazana iray. Julian Kenny, Profesora momba ny valan-javabohary tao St. Augustine Augustine ao amin'ny Oniversite an'i West Indies, fa efa nisotro ronona, natoralista, Senatera tsy miankina teo aloha tamin'ny Parlemanta fahadimy sy fahaenin'ny Repoblikan'i Trinité sy Tobago, mpanoratra , mpanao lahatsoratra an-gazety, mpaka sary sy nahazo ny Medaly lehibe Chaconia (Volamena ) noho ny fiarovana ny tontolo iainana , maty teo amin'ny faha 81 taonany. Ilay vaovao mampalahelo dia niparitaka be teo noho eo tamin'ny alalan'ny filazam-baovao ara-piarahamonina, miaraka amin'ireo mpianatra teo aloha nandefa lahatsoratra ho fanomezam-boninahitra noho ny lova navelany.
Tonizia: Mitohy Ny Hetsi-Panoherana, Mitohy Koa Ny Herisetran'ny Polisy
Nirotsaka an-dalambe ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tunis ny Alatsinainy teo (15 Aogositra). Tafiditra ho anisan'ny anton'ny fitakian-dry zareo ny fananganana fitsaràna tsy momba ny atsy na ny aroa afaka hitsara ireo manampahefana mpanao kolikoly sy ny namono ireo “Mahery fon'ny Revolisiona”. Mamintina ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo fampahalalàm-baovaon'olon-tsotra i Afef Abrougui ato anatin'ity lahatsoratra ity.
Filipina : Tabataba Noho Ny Haratsian'ny Endriky Ny Manila Zoo (Toerana Fitehirizana Biby)
Ny haratsian'ny endriky ny Manila Zoo dia nahatonga fahatairana teo amin'ireo Filipiana mpampiasa aterineto taorian'ny sary izay nalefa tamin'ny aterineto, vokatry ny fiakaran'ny teny fanalahidy “Manila Zoo” ho lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny volana lasa teo. Nanomboka ny fiantsoana mba hanajanona ny vinavina haka biby maro ho ao amin'ilay valanjavaboary.
Ogandà: Lazain'ny Minisitra ho Mampiasa Valantserasera ny Mpanohitra Hanomanana Ady
Nilaza ny minisitry ny filaminana Ongandey fa mampiasa ny Twitter, ny Facebook ary ny Youtube ny mpikatroka Ongandey hanaovana fanentanana manohitra ny mpitandro ny filaminana sy fanomanana ny ny tanora ho amin'ny ady.
Pero : Fanehoan-kevitra Taorian'ny Fanokanana an'i Ollanta Humala
Ny 28 Jolay, Ollanta Humala dia notokanana ho Filoha vaovaon'i Pero. Ireo fanamarihana sy tsikera avy amin'ny tambajotram-pifandraisana sosialy dia rakotry ny finoana sy fanantenana, hatramin'ny kiana masiaka sy manambany ary fanamarihana mahatsikaiky momba ny fitafian'ny vadin'ny filoha, Nadine Heredia
Zambia: Nametraka ny “Vlaogy” mialoha ny fifidianana ny Mpiserasera
Koa satria moa vonona hiatrika ny fifidianana intelo miantoana manerana ny firenena amin'ny faha-20 ny volana septambra ho avy izao ny Zambiana dia nanapa-kevitra ny hametraka ny hafatra politika sy sosio-ekonomika amin'ny alalan'ny lahatsary Youtube ny mpanao politika Zambiana iray.