· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Marsa, 2011

Bahrain: Ny Anjara Raisin'Ireo Mpila Ravinahitra

Tahaka ireo firenena rehetra mpikambana ao amin'ny GCC (Gulf Cooperation Council), dia miankina betsaka amin'ny herim-pamokarana avy any ivelany i Bahrain, indrindra indrindra fa ny avy any amin'ireo firenena ao Azia Atsimo, na izany ho an'ireo asa mila fari-pahaizana ambony na ny salantsalany. Raha araka ny fanisàna natao tao Bahrain tamin'ny 2010, manome ny efa ho 51 isan-jaton'ireo hery afaka mamokatra amin'ny mponina 1.2 tapitrisa ao Bahrain ny mpiasa nafarana.. Indiana iray mpila ravinahitra no mizara ny fahitany ao anatin'ity lahatsoratra ity.

25 Marsa 2011

Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy

Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany. Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any.

25 Marsa 2011

Haiti: Mananontanona ny herisetra amin'ny fifidianana

Toa mihanika ny herisetra mifandraika amin'ny fifidianana any. Raha niomana hanomboka ny fivoriana mikasika ny fampielezam-peo any Mirebalais ny Talata 15 Martsa 2011 izao i Mirlande Manigat izay mpifaninana ho filoham-pirenena Haitiana sady mpampianatra lalàna, vosakantsakanan'ireo mpanohana [fr] ny mpifaninana mpanohitra Michel Martelly izany ireo mpanara-dia azy, izay nitarika sahotaka ka niafara tamin'ny fitifirana sy faharatrana.

24 Marsa 2011

Masedoana: fahatsiarovana ny demokrasia

Maneho hevitra mikasika ny fivoriana manokana nataon'ireo antoko politika goavana ho fametrahana indray ny fifanakalozan-kevitra demokratika andraisan'ny daholobe anjara ao anatin'ireo andrim-panjakana ny mpitoraka bilaogy. Volan nanontany [MKD]: Nahoana isika no...

24 Marsa 2011

Syria: Mitohy Miha-Mahazo Vahana ny Hetsi-Panoherana

Ny Alatsinainy 21 Martsa 2011. mitohy ny hetsi-panoherana ao Daraa, any atsimon'i Syria, izay isian'ny tatitra milaza fa mpanao fihetsiketsehana dimy no maty omaly ary iray hafa androany.. Raha ny tati-baovao milaza fa nandoro tranom-panjakana avy eo ireo mpanohitra, ny mponin'ny aterineto sy ireo mafàna fo kosa manamafy fa ny tafi-panjakana no nandoro ireny trano ireny. Mandritra izany, maro ireo ao amin'ny Twitter no manamafy fa i Daraa no mety ho ny Sidi Bouzid an'ny Toniziana.

22 Marsa 2011