· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2010

Zambia: miresaka mikasika ny famotsorana ny vadin'ny filoha teo aloha ny vahoaka

  19 Desambra 2010

Nahazo rariny tamin'ny Fitsarana avo i Regina, vadin'ny filoha faharoa Zambiana Frederick Chiluba, izay naiditry ny fitsarana ambaratonga voalohany am-ponja telo volana lasa izay noho ny fiampangana dimy amin'ny tsy nanaovany fanambarana mikasika ireo vola sy fananany noahiahiana ho toy ny halatra tanaty raharaha nahavoa ny firenena.Nitarika tsikera maro avy amin'ny mpamaky ny famotsorana an-dRamatoa Chiluba tao amin'ny tranonkala roa sangany amin'ny haino amanjerim-bahoaka Zambiana.

Iran: Mpitoraka blaogy kely taona indrindra maneran-tany voasambotra

Tsy fanta-daza eo amin'ny fanenjehana mpitoraka blaogy fotsiny ny governemanta Iraniana, fa mitàna ny laharana voalohany koa izy ireo eo amin'ny sehatra maro: nanomboka tamin'ny fampidirana am-ponja ny mpitoraka blaogy voalohany indrindra teo amin'ny tantara, hatramin'ny nahafatesan'ny mpitoraka blaogy voalohany tany am-ponja. Mampalahelo anefa, fa mbola misy zavatra hafa mbola mahatsiravina noho izany tokony ampidirina ao anatin'ny lisitry ny firenena Iraniana eo amin'ny fahaiza-manaony dia ny fisamborana sy fitsaràna mpitoraka blaogy kely taona indrindra.

Venezoela: Fijery sy fisainana mikasika ny fandrindràna ny Aterineto

  14 Desambra 2010

Androany (14 Desambra), ny Antenimieram-pirenena Venezoeliana dia hiady hevitra mikasika ny fanavaozana ny rafi-pirenena momba ny fifandraisan-davitra, tafiditra anatin'izany ny fametrahana Toeram-Pidirana amin'ny Tambajotra, ny fanaraha-maso ny vontoaty rehetra ifampizaràna eo anaty aterineto, ary ny fandraràna sasantsasany amin'ny karazana vontoaty (filàna ara-nofo, herisetra, ary ireo "maneho fitondrantena tsy mendrika"). Raha manhgina tsy andrenesam-peo ireo mpanao politika Venezoeliana, dia naneho ny heviny kosa ireo mponin'ny aterineto mikasika ny fahitan-dry zareo an'ity volavolan-dalàna ity.

Adihevitra mikasika ny Modely Sinoa

  14 Desambra 2010

Nitsidika an'i Sina ny Praiministra Britanika David Cameron tamin'ny volana lasa teo. Rehefa vitany ny lahateniny tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking dia nisy mpianatra nanontany azy hoe inona no azony notsoahina tamin'i Sina. Niteraka adihevitra mafana tamin'ireo mpitoraka bilaogy sy ny olona manam-pahaizana any Sina ny tantara. Ka inona marina ary izany ny tena dikan'ny teny hoe "Modely Sinoa"?

Iran: Miresaka ireo antontan-taratasin'ny Wikileaks ny mpitoraka bilaogy

Ireo antontan-taratasy momba ny Cablegate an'i Wikleaks dia nampiseho ireo fifamatorana maizina eo amin'i Iran sy Afghanistan; vaovao anatiny mikasika ny fitondrana Iraniana sy ny mpanohitra; ary ny tahotry ny tontolo Arabo manoloana ny politika noklearin'i Iran. Naneho hevitra mikasika ireny ampamoaka ireny ireo Iraniana mpitoraka bilaogy, indraindray miaraka amina...

Jordania: Baraingo momba ny raharaha-na telegrama navoakan'ny Wikileaks

Ny zavatra navoakan'ny Wikileaks farany, fantatra amin'ny anarana hoe "raharaha-na telegrama," dia mampisongadina ireo filazana maro nataon'ireo Mpitondra Jordaniana, tahaka izany ihany koa ireo fifandraisana maro avy any amin'ny Masoivohon'i Firenena Mikambana any Amman. Manana fomba fihetsehina samy hafa mikasika ity vaovao ao amin'ny vohikalan'ny *whistle-blower* ireo mpitoraka Tweet.