Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2010

13 Aogositra 2010

Tonizia: Rehefa ny mpanakanto toniziana no mihiaka hoe “Ho ela velona i Netanyahu”

Iray amin'ny takelaka Facebook maro nitsangana hanameloka an'i Sherif Niteraka hatezerana sy fahadisoam-panantenana tamin'ny Toniziana ny fivezivezen'ny lahatsary iray ahitana ny mpihira Tonizian Mohsen Sherif mihiaka hoe “Ho ela velona Bibi Netanyahu!” ary manasa ny Jiosy hitsidika ny Nosy Djerba hanao fivahiniana masina El Ghariba. Amin'ny fiteny geek moa izany dia antsoina...

11 Aogositra 2010

Iran : Mitokona tsy mihinan-kanina ireo gadra politika

Gadra politika 17 no nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina tamin'ny faran'ny volana jolay hanamelohan'izy ireo ny fitondrana ratsy mihatra aminy ao amin'ny fonjan'ny Evin. Eto ny lisitra misy ny anaran'ireo mitokona. Iran dia nisambotra mpanao gazety aman-jatony maro, mpitolona ho an'ny zon'olombelona ary mpanao politika nanohitra ny vokam-pifidianana izay ho filoham-pirenena...

Kambodza: adihevitra momba ny raharaha Duch

Nahazo sazy 35 taona ny lehiben'ny fonja nampangaina ho nanome ny baiko hampijaly sy hamono ho faty ireo olona 14,000 nandritry ny fitondran'ny Khmer Rouge tany Kambojy . Ity no sazy fanamelohana voalohany taorian'ny nianjeran'ny fitondrana Khmer Rouge 30 taona lasa izay . Manao hetsika ireo mpitoraka bilaogy.

07 Aogositra 2010

Hongria: Tafatafa miteraka adihevitra niarahana tamin'ny Mpitarika Kaominista teo aloha

Marietta Le dia manaraka ny adihevitry ny vahoaka momba ny lasan'i Hongria talohan'ny 1989, nahazo aingam-panahy tamina horonantsary fanadihadiana momba an'i Béla Biszku, izay Minisitry ny Atitany nanomboka tamin'ny 1957 hatramin'ny 1961 ary niandraikitra ireo vola nozaraina hanoherana ireo nandray anjara tamin'ny Fikomiana Hongriana tamin'ny 1956.

06 Aogositra 2010

Serbia: Mpanao gazety iray nisy nanafika tanaty zotra fitateram-bahoaka

Nisy namono teny ambony fiarakodia lehibe iray mpitatitra olona i Teofil Pancic, mpanao gazety fanta-daza iray teratany Serba tamin'ny asabotsy. Manazava ny fihetsiky ny mponina amin'ny aterineto Serbiana sasany momba izany i Sinisa Boljanovic.

05 Aogositra 2010

Mi-Tweet mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka any Kenya 2010

Nanao fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny fanaganana lalàm-panorenana vaovao ireo Kenyana androany. Vao haingana androany dia nanome rohin'ireo vohikala miaraka amina fanavaozana mikasika ity hetsika ity androany. Ireo Kenyana mpampiasa twitter be atao amin'ny fandefasana ireo tweets mikasika ity fitsapan-kevi-bahoaka ity amin'ny fampiasana ireo tenifototra: #uchaguzi, #kenyadecides

04 Aogositra 2010

Sina: Aftershock – tantara sa fanoharana ara-politika?

Lasa fady ny miresaka mikasika ny horohorontany tany Sichuan tamin'ny taona 2008 any amin'ny media mahazatra noho ilay fananganana sekoly tsy zarizary iray manafintohina sy ny fisamborana ilay sivily mpanadihady Tan Zhouren, naseho tamin'ny fahitalavitra lehibe ny horohorontany tany Tangshan tamin'ny 22 Jolay, enina andro talohan'ny faha 34 taonan'ilay loza...

03 Aogositra 2010

Karaiba: Ho an'ny fahafahana

Omaly, 1 Aogositra, no nanamarika ny faha 172 taonan'ny Androm-panafahana tany amin'ireo tany Karibeana (Caribbean) maro miteny Anglisy, rehefa afaka tamin'ireo voanjo Britanika nanandevo azy ireo andevo Afrikana maro. Androany dia andro tsy fiasàna ho an'ireo firenena maro any amin'iny faritra iny ary mpitoraka blaogy vitsivitsy no manararaotra io fotoana...