Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2009

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2009

05 Jona 2009

Niger: Mitsipaka ny fanalavana ny fe-potoana fiasan'i Tandja

Miakatra ny tosi-dra any Niger taorian'ny soson-kevitra nataon'ny filoha Mamadou Tandja hanao fitsapan-kevi-bahoaka, izay raha lany, dia hamela ny filoham-pirenena hanova ny lalàm-panorenana hahafahany manalava ny fe-potoana hiasany, izay efa naharitra 10 taona. Mamadou Tadja, filohan'i Niger hatramin'ny 1999, te hanova ny lalàm-panorenana hijanonany eo amin'ny fitondrana. Ny herinandro lasa...

04 Jona 2009

Sina: Ny fivoaran'ny demokrasia hatramin'ny 1989

Nandritra ny faran’ny herinandron’ny Fetin’ny Reny farany teo tamin’ny 10 Mey, nisy avara-pianarana maromaro tao Beijing nanomana seminera hiresahana ny faha-20 taonan’ny hetsika ho an’ny demokrasia tany Sina. Hetsika manan-danja tokoa io mba handrodanana ny fahanginan’ireo avara-pianarana momba ny hetsiky ny mpianatra tamin’ny 4 Jona, ary mba hanoherana ny fijery...

Ejipta: Tsy ‘tongasoa’ ve i Obama?

Valo amby efapolo ora mialoha ny kabary andrasan'ny tontolo arabo sy silamo fatratra hataon'ny filoha amerikana Barack Obama avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Cairo, dia saiky miray feo daholo ny tontolon'ny fitorahana blaogy Ejiptiana. Tsy faly amin'ny endrika mibaribary sy tafahoatra atao ho fikarakaràna sy fiarovana raisin'ny governemanta ejiptiana ho an'ity...

03 Jona 2009

Malezia:Mpanavao ny tsenam-barotra ve ny Praiministra?

Tokony hiandràndra fiovàna ara-politika tampoka amin’ny fitondràna malezianina ve isika? Tsy hoe mandray fotsiny ireo haitaom-bahoaka amin'ny aterineto mba handrisihana ny fandraisan’anjaran'ny olom-pirenena i Najib Razak, mijery ny toerana izay mbola tsy nalehan’ireo nialoha làlana azy koa izy mba hametraka rafitra fanalalahàna araham-pantina, anatin’ny sehatra fitantanam-bola sy ny tolotr'asa tato...