· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2008

Azerbaijan: Valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia

  24 Jolay 2008

Michael J. Totten's Middle East Journal no mitatitra fa hitsidika an'i Azerbaijan amin'ny volana ambony hanatrika valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia sy izay zavatra mifandraika aminy any an-toerana. Mitady fanontaniana azo apetraka hoan'ny mpitondra fanjakana any (Azerbaijan) sy mpitondra fivavahana ary ny mpandraharaha avy amin'ny mpamaky azy ny bolongana.

Rosia: Toby miaramila rosiana any Venezoalà?

  23 Jolay 2008

Mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LJ  Politika v Rossii (RUS) no nitsapa ny hevitry ny mpamaky raha tokony araraotin'i Russia ny fanomezan-tanan'ny filoha Venezoelana Hugo Chavez ny hanorenana toby miaramila (Rosiana) any Venezoelà. Tena lasa lavitra tokoa, fa nanaiky ny hevitra ny 70%n'ny nanambara ny heviny rehefa nojerena ny valiny.

Arimenia: Mpamaham-bolongana nanatrika valandresaky ny Filoham-pirenena

  23 Jolay 2008

Real Armenia no nilaza fa mpamaham-bolongana roa ao an-toerana, Akanumatata_Ser [RU] sy Pigh [RU], no nahazo alalana hanatrika valandresaky ny filoham-pirenena ary hanontany izay fanontaniana voangona an-tserasera. Niarahaba ireo mpamaham-bolongana io bolongana voatonona voalohany io ary nolazainy fa tokony hitovy lenta amin'ny manao gazety ao an-toerana amin'izay ny mpamaham-bolongana.

Ghana: Kiana resaka medaily

  20 Jolay 2008

Ghana Unite for Development (Ghana miray ho amin'ny fampandrosoana) no maneho hevitra amin'ilay raharaha niteraka adihevitra any an-toerana momba ny fividianana medaily volamena ka manao hoe Moa ve  tena mbola azo tohizana ny fitrandrahana volamena eto Ghana: “Zendana tanteraka aho raha namaky fa ny tetibidin'ny medaily volamena novidiana tamina mpivarotra...

Brezila: Fitakiana Hanadihadiana ny Fitsarana Tampony Breziliana

  19 Jolay 2008

Hélio Paz [pt] no miantso ny rehetra handray anjara amin'ny filaharambe ampilaminana hitakiana ny hanadihadiana ny filohan'ny Fitsarana Tampony Atoa Gilmar Mendes ahiahiana ho nanao kolikoly . “Hataontsika ho faharoa tafiditra amin'ny tantara taorian'ny fihetsiketseha-mpanoherna tao Porto Alegre ity raha ity”. Hanomboka amin'ny folo maraina ao Brique da Redenção ity...

Rosìa : Andron'ny Mpianakavy, ny Fifankatiavana ary ny Fanajana ny Fanambadiana

  10 Jolay 2008

Ny Andron'ny Fitiavam-bady sy ny fahasambaran'ny mpianakavy – nankalazaina tamin'ny faha-8 Jolay, Môskoa, Rosìa (sary nalain'i Veronica Khokhlova, mpanoratra ny lahatsoratra nadika) Nahazo andro tsy fiasana vaovao iray indray i Rosìa : ny Andron'ny Mpianakavy, ny fifankatiavana ary ny fanajana ny fanambadiana, izay ankalazaina isaky ny 8 Jolay. Amin'ny alalan'ny lahatsoratra nampitondraina ny...

Japàna : Fanambarana mikasika ireo olona nalaina an-keriny izay miteraka fahatezerana

  09 Jolay 2008

Ny fanambarana nataon'i Koichi Kato, mambran'ny Antoko Liberaly Demôkratika Japôney [Liberal Democratic Party] sady ministra teo aloha rahateo, tamin'ny 7 Jolay 2008 lasa teo dia niteraka fahatezerana teo anivon'ireo mpiblaogy Japoney sy tao amin'ny vohikala 2channel [Japôney]. Ny tsy fandrosoan'ny adihevitra fikatsahana fihavanana amin'ny Japàna sy Kôrea Avaratra dia narohin'i Koichi Kato tamin'ny...

Bahraina: Fampanantenana poak'aty

  09 Jolay 2008

Manontany i Yagoob hoe nahoana moa ireo fianakaviana mahantra Bahrainita no mbola tsy naharay ny fanohanana ara-bola nampanantenana azy ireo enimbolana lasa izay. Izany no natao mba hiarovana azy ireo amin'ny fidangan'ny vidim-piainana.