Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2024
Fafan'i Azerbaijan mialoha COP29 ireo mpitsikera
Manana ny iray amin'ireo firaketana iraisampirenena ambany indrindra momba ny zon'ny olom-pirenena sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena i Azerbaijan ary nanizingizina ny filoha Aliyev fa voamarina ny fanenjehana ny fiarahamonim-pirenena.
Ho fandravana ny demôkrasia, nofoanan'ny fitsarana thailandey ny antoko mpanohitra voalohany
"Ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana dia tokony ho fikambanana miaro ny Lalàmpanorenana sy ny zo araka ny Lalàmpanorenana. Fa izao izy fikambanana manitatra ny fahefam-panjakana sy mametra ny zon’ny olona sy ny fahalalahan’izy ireo."
Hamelona indray ny fanahin'i Hong Kong ve ny zavabitany nandritra ny lalao olaimpika?
Misy ireo mahita ny fahombiazan'ny tanàna amin'ny lalao olaimpika ho fanararaotra hitakiana ny “fanahin'i Hong Kong.”
Ao Tiorkia, tafa an'arabe nandefasana olontsotra iray ho any am-ponja
Ny "faniratsiràna filoha" sy "fandrisihana fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka" no roa isan'ireo vesatra mahazatra anenjehan'ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera.
‘Tsy manana na inona na inona afa-tsy ny fonay sy ny sainay izahay’: Vietnamiana mpikatroka voaheloka higadra dimy taona
"Ny hany zavatra nataonay dia ny manao zavatra mifanaraka amin'ny feon'ny fieritreretanay, milaza ny eritreritray, ny fanirianay, ny hetahetanay."
Tapitra hatreo ny fisarahambazana hoy ireo vehivavy ao Venezoelà
“Lazain'ny governemanta ho fasista ireo mpanao hetsipanoherana, nefa tsy marina izany. Olontsotra izy ireny, avy amin'ireo vohitra manodidina, izay nony farany dia nidina an-dalambe mba hanameloka ny hosoka sy hitaky voka-pifidianana mangarahara"
Taorian'ny fahavitan'ny kaoferansan'ny SIDS4 tany Antigua & Barbuda, mitolona ny hihazonana ny satany ‘maningana’ ao amin'ny Firenena Mikambana ny ‘nosy madinika’
"Tsy izahay no nanangana ireo olana ireo fa tena manelingelina ny fivoaranay io... Na izany aza, ny SIDS no lohalaharana, ary iray amin'ireo vondrona marefo indrindra izahay."
Miezaka ny miarina avy amin'ny fiparitahan'ny solika akaikin'ny renivohitr'i Filipina ireo mponina amoron-dranomasina
"Toy ny afo amin'ny alantsika ny fiparitahan'ny solika misy poizina any an-dranomasina, ka mametraka lalam-pandringanana izay mitondra voka-dratsy am-polony taona maro."
Ampangaina ho manimbazimba ilay Belarosiana mpanao hatsikana mampitaha ny filohany amin'ny fody
Malaza ilay mpanao hatsikana amin'ny fanakianana mibaribary ny fitondrana Belarosiana sy ny mpitandro ny filaminana, indrindra taorian'ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2020.
Enjehina noho ny ‘fanakorontanam-bahoaka’ ireo mpikatroka mpomba ny demaokrasia any Zimbaboe
Nanameloka ny fanorisorenana, ny fandrahonana ary ny fanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny demôkrasia ireo ny Kofi Annan Foundation, ary mandrisika ny manampahefana hanaja ny paika ara-pitsarana.