· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Jona, 2017

Tajikistan: Tantara Momba Ny Dia Mahavariana

Misy tantara mahaliana momba ilay vehivavy Amerikàna nitety an'i Tajikistan ary nanoratra mombamomba ny dia. Tsy afa-po tamin'ny tolotra izy fa tia miresaka amin'ny olona kosa ary mahafantatra momba ny fiainan'izy ireo sy ny fomba amam-panaon'izy ireo. Tao anatin'ny roa andro, manana zavatra marobe hotantaraina izy ...

19 Jona 2017

Libanona: Ny Zavakanto sy ny Mpanakanto

Tsy ara-politika fotsiny araka ny fantatrao ny tontolon'ny bilaogy Libaney, ary misaotra an'Andriamanitra noho izany. Misy ireo mpanakanto mampiasa bilaogy mba hampiseho ny sary hosodoko, ny mozika sy ny famoronana ara-javakanton'izy ireo. Indro ny santionany. Voalohany dia sary sy hosodoko, ary avy eo mozika sy sarimihetsika. Ankafizo.

16 Jona 2017

Ny Fomba Fijerin'ilay Bilaogera Soedoa An'i Iran

Bilaogera Soedoa iray i Jonathan Lundqvist izay nitsidika an'i Iran volana vitsivitsy lasa izay ary nizara ny zavatra niainany tamin'ny Global Voices tao anatin'ny antsafa iray. Namoaka sary maro tao amin'ny bilaoginy momba ny sivana, ny fiainana andavanandro ao Iran i Jonathan sady tsy hanadinony ihany koa ny hatsaran-tarehin'ilay firenena.

16 Jona 2017

Frantsa, Amerika, Afrika: Ny Loka “Y'a Bon”

Tamin'ny 17 Martsa 2009, nanomboka ny "Loka Y'a Bon " ny vondrona antsoina hoe les Indivisibles [Fr] , fanomezam-boninahitra iray hafa kely, izay natolotra ho an'ireo mpanao politika, mpanao gazety, sy mpiasam-panjakana izay nandray anjara tamin'ny fanelezana ny fanavakavaham-bolokoditra tao Frantsa.

09 Jona 2017

Maso Arabo: Ny Afovoany Atsinanana An-tsary

Ny Afovoany Atsinanana An-tsary anio dia hitondra antsika ho any amin'ny torapasika milamina ao Dubai , i Doha rehefa amin'ny alina , ny sarin'ny voninkazo ao Bahrain, ny voninkazo mamelana an-jaridaina ao Syria amin'ity lohataona ity ary farany ny fividianana Viagra ao an-tsenan'i Fez, ao Maraoka.

07 Jona 2017