Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Oktobra, 2018
Fahalalaham-pitenenana sy fankalazana mozika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana
Lohahevitra maro samihafa no nasongadina tamin'ny herinandro, tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Hatomboko amin'ny Farid sy ny antontan'isany mahaliana momba ny fitoraham-blaogy any Maraoka. Avy eo i Reda izay nahita, noho i Shimon Peres, fa misy fifandraisana misy eo amin'ny hakamoana sy ny finoana silamo
Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika
Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any anatin'ny fijerena ny tontolombolongana libaney tamin'ity herinandro ity. Ndeha atombontsika amin'ireo fanontaniana telo momba ny fisiana napetrak'i Mazen Kerbaj [En]. Ao anatin'ny asa eto ambany, manontany izy manao hoe "Iza isika? Iza no mahalala? Iza no hameno ny banga?"