· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Oktobra, 2018

Vehivavy Ejiptiana iray novonoina tao amin’ny fitsarana Alemà noho ny fanaovam-boaly

  08 Oktobra 2018

Efa ela izay ireo bilaogera Ejipsiana no tsy niara-niombon-kevitra. Saingy ilay heloka feno fankahalana niseho farany tany Alemaina momba ilay vehivavy Ejipsiana Miozolomana iray, Marwa El Sherbini, no nahafahan’izy ireo nihaona indray sy nanameloka ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, izay ninia tsy nijery ny toe-javatra niseho tamin’ireo Miozolomana any Andrefana.

Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika

  06 Oktobra 2018

Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any anatin'ny fijerena ny tontolombolongana libaney tamin'ity herinandro ity. Ndeha atombontsika amin'ireo fanontaniana telo momba ny fisiana napetrak'i Mazen Kerbaj [En]. Ao anatin'ny asa eto ambany, manontany izy manao hoe "Iza isika? Iza no mahalala? Iza no hameno ny banga?"