Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Aogositra, 2024
Avy amin'ny revôlisiôna hatrany an-tsesitany: Ny dian'i Nasrin Bassiri, Iraniàna mpikatroka,
Ny dian'i Nasrin Bassiri avy amin'ny fanantenana revôlisiônera tany Iràna nankany an-tsesitany tao Berlin no mirakitra ny tolona tsy mitsahatra ataon'ireo Iraniàna vehivavy mikatsaka fahafahana.
Venezoelàna nifindra any Colombia: ‘Manofinofy hody aho hanangana indray ny firenenay’
Ao anatin'ny kriszy venezoelàna, mitaratra sy tolona sy ny fanantenan'ny tanora an'arivony noterena hifindramonina ny tantaran'i José Montilla, miasa ho fampahatsiahivana matanjaka amin'ny fikirizan'ny vahoaka Venezoelàna.
Hirika tsy fahita firy ho ana Afrikàna iray mpanao gazety izany hoe hanao fandrakofana ny Lalao Ôlaimpika izany, tafa niarahana tamin'i Daniel Dodjagni
Ho an'ny fandraisany anjara voalohany amin'ireo Lalao Ôlaimpika, ilay Tôgôley mpanao gazety, Daniel Dodjagni, no manazava amin'ny Global Voices ny tombony entin'ny fanotronany JO amin'ny asany
Etazonia sy Panama, mikasa ny hanidy ny lalantsaran'ny fifindramonina, saingy mampanontany tena an'ireo manampahaizana ny fomba hatao
« Ho an'ny ampahany iray akatona, misy telo mety hisokatra mangingina »,hoy ny fanamafisan'ireo manampahaizana.
Nangasihasy ry zareo Belarosiàna any am-pielezana nony nahita fa tsy nisy tamingana Belarosiàna tamin'ilay fifanakalozana gadra
Mazàna no tsy raharahaina ny fijalian'ireo Belarosiàna gadra pôlitika, ary na 18 aza no navotsotra tamin'ny volana lasa iny, tombanana ho mbola misy 1.400 any am-ponja