· Septambra, 2017

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Septambra, 2017

Ry Tontolo, Ndeha Hihaona amin'i Afrika! Fomba Iray Vaovao Hitantarana Ny Tanibe

  06 Septambra 2017

Mahakivy matetika ny mamaky ireo fitantaràna an'i Afrika any anaty media mahazatra. Amin'ny lafiny roa, raha ny marina. Voalohany indrindra, izay faritana ho mendritra hanaovana tatitra, dia tena mahakivy. Faharoa manaraka izany, satria tsy dia mirona loatra amin'ny tena zava-misy sarotra sy manetsiketsika ao amin'ilay tanibe, amin'ny fidadasiky ny fahasamihafana rehetra misy ao aminy, fa aleony miresaka an'ireo fitsaratsaram-poana tsotsotra fotsiny.

Arabia Saodita: Governemanta Mikendry Manokana Ireo Bilaogera, Masoivoho Saodiana Vaovao Ao Etazonia, Ary Resaka Maro Hafa Koa

Ny fisafaokan'ny gazety momba ny fandaharam-pianarana any Arabia Saodita, fampielezankevitry ny governemanta hamelezana manokana ireo lehilahy bilaogera any Arabia Saodita, Anna Nicole Smith, Kareem Amer, fisaraham-panambadiana an-tery, fandaharanasam-panjakana vaovao hiadiana amin'ny kolikoly, ary maro hafa no naresaka indrindra tao amin'ny tontolon'ny blaogy tany Arabia Saodita.

Azia Atsimo: Holi, Fampakarambady, Bollywood, Ranomandry, sns…

  04 Septambra 2017

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2007) Arahabaina isika rehetra mpamaky nahatratra ny Holi. Ny fetiben'ny loko fanaon'ny Hindò rehefa lohataona no isan'ny fetibe nentindrazany tena malaza indrindra any India sy Nepal. Lazain'ny South Asia Biz hoe ny tarika Indiana mpilalao Cricket, izay tany Karaiba tamin'io fotoana io hiady izay ho...