Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Mey, 2017

Ny Fampahalalam-baovao Rosiana: Tompon-dakan'ny Fahalalahan'ny Aterineto (Manomboka Izao)

Amin'ireo Okrainiana an-tapitrisany ankehitriny izay mety ho tafala amin'ny tolotra antserasera ankafizin'izy ireo, nanao ny zavatra fanaony amin'ny toe-draharaha ara-jeografia-politika tsy nampoizina ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Rosia, niova fijery tampoka izy,

Mandrahona Ny Hitory An'I Facebook Any Amin'ny Fitsarana I Thailandy Noho ireo Lahatsoratra Mamely ny Fitondram-Panjaka

Nanome fe-potoana ho an'ny Facebook hatramin'ny Talata 16 May 2017 ny governemanta Thailandey mba hanalana ireo lahatsoratra sisa miisa 131 izay manohitra ny mpanjaka ireo.

Lahatsary Fanadihadiana Vaovao Momba ny Famonoana ilay Mpanao Gazety Mpanohitra Tao Kyiv Nanasarotra ny Fanadihadian'ny Polisy

Mampametram-panontaniana amin'ny anjara asan'ny manampahefana ao Okraina amin'ny raharaha vono olona mihitsoka miresaka ilay mpanao gazety mpanohitra izay novonoina tao Kyiv tamin'ny fotoam-pahavaratra farany teo ny tatitra fanadihadiana vaovao iray.

Netizen Report: Milaza i Vietnam Fa Hiaraka Hiasa Amin'ireo Fangatahana Fanivanana ny Votoaty Manafintohina sy ‘Faikany’ ny Facebook

Manao fifanarahana miaraka amin'ny Facebook i Vietnam, mahatonga fanaovana filambaniny ao amin'ny Aterineto ilay resabe momba ireo omby any India, ary manosika ny hanaovana ny ‘zo ho hadinoina’ mba hanankery manerantany ireo manampahefana Frantsay.

Fanaovan'ny Gazety Sri Lankey Ireo Vehivavy Ho Toy Ny Entana

Nanitsakitsaka fenitra marobe tamin'ny etika ny fanehoana ireo vehivavy tany anatin'ireo haino aman-jery Sri Lankey nandritry ny taona maro, ka niafara tamin'ny fanamafisana ireo fitsaratsaram-poana ratsy natao azy ireo

Nilaza Ireo Mpanohana An'i Navalny Fa Ireo Hiringiriny Tohanan'ny Fanjakana no Nanafika An'i Nalvany

Nanaporofo ny lehiben'ny mpanohitra, Alexey Navalny fa ilaina ny manana tanora mpanohana an-tapitrisany ao Rosia, izay mpiserasera aterineto mavitrika.

Mpikatroka Breziliana Ao Anatin'ny Tsy Fahatsiarovan-tena Rehefa Nodarohan'ny Polisy Kibay Nandritra ny Fihetsiketsehana Ny Lohany

Nampidirina hopitaly notsaboina vonjimaika tamin'ity herinandro ilay mpianatra Breziliana 33 taona, rehefa nodarohan'ny polisy tamin'ny kibay ny lohany nandritra ny fihetsiketsehana tao an-tanànan'i Goiânia tamin'ny Zoma, izay an-tapitrisany ny olona nanatevin-daharana ny fitokonana manerana ny firenena ho fanoherana ny fanavaozana ny fitsitsiana.

Palestiniana Mpanao Gazety Manoritsoritra Ireo Andro Maro Nijaliany, Ireo Tsindrona Mistery Nataon'ny Sampam-pitsikilovana Palestiniana Azy

“Manokafa trano fiandrasampaty ho ahy, tsy ho ela dia handre momba ny fahafatesako ianareo.”

Ato Anatin'ny Fikambanana, Mbola Miasa Saina Lavitra Noho Ianao Raha Resaka ‘Faikam-Baovao”

Loza mitatao ho an'ny tena fototry ny fisian'izy ireo ny firongatry ny lainga any amin'ny haino aman-jery eran'izao tontolo izao.

Fianjeran'ny Bus Iray Nahafatesana Ankizy Am-polony Tany Tanzania Avaratra

Ity Firenena Afrikana Tatsinanana ity no iray amin'izay ahitana lozam-pifamoivoizana ahafatesan'olona be indrindra ato amin'ny kaontinanta.