Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Marsa, 2016
Fandikàna Iray Isaky Ny Mandeha, Tian'ity Mpanoratra Sady Mpiakatroka Ity Havotana Ny Fahalalàn'ny Tandrefana An'i Rosia
Amin'ny alàlan'ny bilaoginy, ezahan'ilay mpandika lahatsoratra, Thomas Campbell, ny hanentsina ny banga. Ny herinandro talohan'ny 18 Febroary, nitsidika ny Anjerimanontolon'i New York i Campbell, ka tany no namaritany ny zavatra niainany tamin'ny fitantanana ny tranonkalany sy ny fanarahana maso ny tontolon'ny bilaogy Rosiana.
Jery Kely Hoe Ahoana Ny Ampiasain'ireo Tranon'ny Fampahalalàm-baovao Any Ghana Ny Media Sosialy
Penplusbytes, fikambanana tsy mitady tombontsoa any Ghana, namoaka ny Tatitry ny Tondro ny Fampiasàna Media Sosialy voalohany amin'ny sehatry ny media ao Ghana.
Mpanakanto Mpanao Sary Mandefa Fanentanana Ety Anaty Aterineto Ho ‘Fanafahana Ny Media’ Ao Malezia
"Tsapanay fa tonga izao ny fotoana ho an'ny Maleziana mba hitakiana ny fahalalahan'ny media sy ny aterineto, raha jerena tamin'ireo fanafihana faramparany nanjo ny fahalalahana maneho hevitra eto Malezia."
Any Bahrain, Heloka Bevava Ny Asa Fanaovana Gazety
Voasambotra niaraka tamin'ireo ekipany i Anna Therese Day, Amerikana mpanao gazety, ary voaroaka tao amin'ilay firenena mikorontana raha teo am-pankalazàna ny tsingerintaona fahadimin'ny hetsika io firenena io.