Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Septambra, 2022
«Lazain-dry zareo fotsiny fa hisy ny fandrosoana:» tovovavy guaraní iray mitaky vaovao momba ny fiantraikan'ny tetikasa goavana iray eo amin'ny fiarahamonina
Raha manao fikarohana ny teny hoe "làlana" ianao any anatin'ireo media sasantsasany, inona no hitanao? Tsindrian'i Madelyn Paredes Maroni fa ampiasaina io teny io ho entina milaza fandrosoana sy fidirambola ho an'ireo vondrompiarahamonin'ny vazimba teratany.
Tovovavy iray mpanentana anaty onjampeo, mangataka amin'ireo media mba haneho ny tsy fahampian'ny tolotra ara-pahasalamana ao Gran Chaco
Raha manao fikarohana ny teny hoe "fahasalamana" ianao any anatin'ireo media sasantsasany, inona no hitanao? Genesis Juliane Quispe dia mahita fa tsy dia avoakan'ireo media ho hitan'ny rehetra loatra ny fahabangan'ny rafitry ny fahasalamana any anatin'ny vondrompiarahamonin-dry zareo
Trinite & Tobago: renim-pianakaviana iray niaiky fa namono ny zanany, niteraka adihevitra ny momba ny herisetra, ny fahaketrahana, ary ny fahantrana sy ny aretin-tsaina
"Betsaka ny tombatombana mikasika ity raharaha ity [ka] hanomezana tsiny ny sampan-draharaham-panjakana [saingy ], tsy misy na iza na iza, raha tsy mahalala ny zava-nitranga, tokony hitsara."
Norahonan'ny nosy Solomon tsy hiditra ny firenena ireo mpanao gazety vahiny ”tsy manaja”
"Tsy misy ifandraisany amin’ny “fitantarana manambany” sy izay rehetra ifandraisany amin’ny fitondram-panjakana any Honiara tsy mahazaka fanadihadiana izany."
Nigorodana tao amin'ny media sosialin'i Taiwan ny faikam-baovao taorian'ny fitsidihan'i Pelosi Mpitondratenin'ny Antenimieran'i Etazonia
Nokendrena indrindra hanevatevana an'i Pelosi ireo vaovao sandoka nivezivezy tao Taiwan nialoha-nandritra-taorian'ny fitsidihany, ho fanehoan-kery ara-miaramilan'i Shina amin'ny sarinady, anambaniana ny satan'i Taiwan.
Tatitra Unfreedom Monitor: Fampahalalam-baovao
Efa ato anaty tatitra izao ny fikarohana Advox momba ny fandisoam-baovao, ny fampahalalam-baovao diso, ary ny torohay ratsy fampita. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny pdf feno.
Undertones: Tsy tapitra ny hetsika fanoherana ady ao Rosia, hoy ireo Rosiana mpikaroka
"Sarotra ny hahalala izay natao rehetra, satria toy ny maty ny asa fanaovan-gazety, na dia mbola betsaka aza ny zava-mitranga na eo aza ny zava-misy."
Nampiasain'ny polisy Indiana ny sioka taloha hisamborana mpanao gazety Miozolomana fantatra ho nampiharihary vaovao tsy marina
Nahazo fanamelohana maro ny fisamborana ilay mpanao gazety indiana sady mpiara-manorina ny tranokalam-panamarinam-baovao AltNews, Mohammed Zubair, noho ny sioka tamin'ny taona 2018.
Tatitra Unfreedom Monitor: Rosia
Efa vita tatitra izao ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Rosia. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.