Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Marsa, 2019
Sangy Ratsin-dry zareo Rosiana Momba ny Sivana Anaty Aterineto
Namorona fomba saro-takarina sy tsy hampahazo aina an'ireo mpanivana, ary hatramin'ireo tranonkala mpomba an'i Kremlin ireo mpikatroka ao amin'ny RuNet mba hialàna amin'ny sivana sy ho famaliana bontana.
Noafahana i Mahmoud ‘Shawkan’ Abu Zeid mpaka sary fanao an-gazety rehefa nigadra nandritra ny dimy taona mahery tany am-ponja
Nandany efa-taona teo ho eo nandritra ny fitazonana azy vonjimaika mialoha ny fanamelohana azy i Shawkan, izay niasa ho an'i Demotix tamin'ny fotoana nisamborana azy.
Athan: Ilay vondrona tanora mampiroboobo ny fahalalaham-pitenenana any Myanmar
"Tokony hofoanana ireo fitoriana ireo mpanao gazety rehetra. Tsy maintsy avotsotra tsy misy fepetra ireo mpanao gazety rehetra izay mbola any am-ponja. Foanana mifanaraka amin'ny fenitra iraisampirenena ny sazin'ny fanalam-baraka .
Ejipta : Nosamborin’ny tafika ary navotsotra avy eo i Wael Abbas
Nosamborin'ny tafika nandritra ny adiny iray teo ho eo ilay bilaogera fanta-daza mpiaro ny zon'olombelona Wael Abbas ka nahatonga ny namany sy ny olom-pantany nihetsika tamin'ny fikarohana azy. Nafahana izy taorian'izay. Ankoatra izany, mbola tsy misy vaovao momba ilay mpiasan'i Google Wael Ghonim, izay nanjavona ny 25 Janoary 2011.
Nosamborin'i Samoa ilay bilaogera ‘King Faipopo’ voampanga ho nanala baraka ny praiminisitra
Nosamborin'ny polisy Samoanina ilay bilaogera monina any Aostralia, Malele Paulo tamin'ny 8 Febroary raha nitsidika ny firenena hanatrika ny fandevenana ny reniny. Malele dia mpitsikera fanta-daza ny governemanta izay manoratra amin'ny anarana hoe King Faipopo.