· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Desambra, 2018

Vehivavy mpandraharaha namaky ny sakana tao Kashmir

  14 Desambra 2018

"...nahazo fanehoan-kevitra miiba aho tao amin'ny media sosialy, ary misy mihitsy ny avy amin'ny vehivavy amin'izany, saingy mihevitra aho fa natao hampitombo ahy ho olona tsaratsara kokoa mankany amin'ny mpandravaka sy mpanaingo tsaratsara kokoa ny fanehoan-kevitra miiba"

Bilaogera an-jatony no nanohana ireo mpianatra nogadraina tany Iran

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanomboka hetsika mba hahatsiarovana sy hisarihana ny saina momba ireo mpianatry ny oniversite marobe nosamborina nandritra ny volana vitsivitsy, anisan'izany ireo mpianatra miisa telo izay mbola any am-ponja ireo vondrona bilaogera Iraniana. Ny hanomezana anarana vaovao ny bilaogy maro...

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

Maraoka: Mafana mafana

Mbola tena mafana be ao Maraoka, mahatonga ny hafanana ho lohahevitra malaza eo amin'ny blogoma (bilaogy Maraoka) miteny Anglisy. Miaraka amin'ny maripàna matetika mahatratra 40 degre Celsius sy tsy fahampian'ny rivotra mangatsiatsiaka, toa tahaka ny hoe mijaly ireo bilaogera.

Ekoadaoro: Ny feon'ny findaiko sy ny fitantarana isan'andro ataon'olontsotra

  06 Desambra 2018

Ao amin'ny faritra saro-dalana manodidina an'i Quito, Ecuador, napetraka ny kamiao kely norakofana tsara nandritra ny tontolo andro mba hampianatra momba ny tontolon'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra. Ahitana seza maro ary koa birao mihitsy aza ao anatin'ilay fiara, antsoina hoe "Mi Voz Móvil" (Ny Feon'ny Findaiko), ampy tsara handraisana mpanao gazety.