Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Aogositra, 2018
#AvotsoryKhayrullo: Mitaky ny rariny ho an'ilay mpanao gazety Tajik miatrika fitsarana ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona

Nampakatra ny raharaham-pitsarana nahazoany sazy 12 taona an-tranomaizina taorian'ny niresahany momba ny kolikolin'ny manampahefana ilay mpanao gazety malaza sady be herimpo.
Firaondraonan'ny bilaogy ao Bangladesh
(Marihina fa tamin'ny 25 Septambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny zava-nitranga manerana izao tontolo izao avy amin'ny bilaogy Bangladeshi : * Fanabeazana: Nanakiana ny rafitry ny fanadinana farany...
Netizen Report: Voaloton'ny herisetra goavana sy ny fanakatonana aterineto ny fifidianana ao Mali

Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena sy vaovao malaza amin'ny aterineto manerantany.
Amerika Latina no faritra be famonoana olona indrindra eto an-tany, Fanadihadiana avy amin'ny fantsona YouTube
Velomin'ny tanora mpanangom-baovao avy amin'ny gazety kolombiana El Espectador, naharitra 130 taona, misavasava any amin'ny lohahevitra mifaningotsingotra mampifangaro ny fanadihadiana sarotra fahaizana mamazivazy mivatambatana ny La Pulla.
Ny tosika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana
Navotsotra i Mohsen Al-Awaji rehefa nogadraina nandritra ny 11 andro, ary mieritreritra i Aya fa ity hetsika nataon'ny governemanta ity dia lesona azo tsoahina ho an'ny Saodiana: "Sahy manakiana ny governemanta ve ianao satria afaka manao izany amin'ny fotoana rehetra, sa esorina aminao ny fahafahanao sy ny fahamendrehanao. "
Nametraka tsipika mena ho an'ny fahalalahan'ny gazety ao Hong Kong ny fanamelohana ilay mpikatroka mitaky fahaleovantena

Ao anatin'ny fandrahonana ny Klioban'ny Vahiny Mpampita vaovao ao Hong Kong noho ny fikarakarana resadresaka ataon'ilay mpikatroka ho amin'ny fahaleovantena Andy Chan.
Didim-pitsarana miavaka tao Angola, manafaka ilay mpanao gazety Rafael Marques tamin'ny fiampangana rehetra

Raha efa nentina teo anoloan'ny fitsarana tamin'ny raharaha teo aloha i Marques, ity no voalohany nanafahana azy madiodio tamin'ny fomba ofisialy.
Jordania : Bilaogera namoaka tsiambaratelom-panjakàna
Mba hahafahako miaro ny tenako mifanaraka amin'ny lalàna dia avoakako ity antontan-taratasy ity, ary mba tsy hahavery ny fitokisana ahy amin'ny maha-bilaogera sady mpanao gazety...
Hong Kong: CCTVB Tsia!
Olona maherin'ny 150 000 no nivory tamin'ny 4 jona lasa teo tao Hong Kong, tao anatiny sy manodidina ny kianja Victoria mba hankalaza ny faha-20 taonan'ilay fandripahana tao Tiananmen tamin'ny 1989....maherin'ny antsasak'ireo gazety eo an-toerana sy ireo fantsona fahitalavitra izay tena malaza indrindra no nanapaka hevitra ny hanao tsinontsinona ilay hetsika.
Maraoka: Ny hafanana mamaivay sy ny adihevitra mafana
Ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Marokana miteny Anglisy, niakatra ny hafanana ary niady hevitra momba ny toeran'ny fiteny Arabo Maraokana ny bilaogera.