Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Mey, 2018
Porto Riko : Ilay Fahazoandàlana Vaovao Ahafahana Mamono Hazo
Nahatonga fanehoankevitra be teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pôrtôrikana ilay fanapahankevitra vao haingana avy amin'ny Sekreteram-Panjakana Momba ny Fambolena ao Pôrtô Rikô. Ao amin'ny nosy Pôrtô Rikô, mila mangataka fahazoandàlana any amin'ny masoivohon'ny harena voajanahary ny olona iray raha te-hanapaka hazo. Izay aloha ny zotra narahina hatramin'ny fotoana nanaovan'ilay Sekretera jeneralin'ilay masoivoho,Javier Velez Arocho, ilay fanapahankevitra ahafahana mahazo avy hatrany alalàna hanapaka hazo
Nogadraina ireo mpikatroka Rosiana manohitra ny kolikoly noho ny “fitarihana fitroarana” tamin'ny alalan'ny siokan'izy ireo
Nampiasain'ny manampahefana ho porofon'ny fitarihana korontana faobe ny sioka, ary indraindray ny "retweets" tamin'ny votoaty hafa an'ireo mpikatroka manohitra ny kolikoly izay nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanokanana fahefatra an'i Vladimir Putin ho filoha .
Tsy Fahaiza-Mitàntana Sa Tsindry Politika No Nandroahana Ilay Tonian-Dahatsoratry ny Bangkok Post, Umesh Pandey ?
"Aleoko very asa toy izay hanondrika ny lohako."
Mandrisika ny governemanta vaovao ao Malezia hanatanteraka fanavaozana amin'ny media
Mampahatsiahy ny governemanta vaovao ao Malezia ny fiarahamonim-pirenena sivily mba hanatanteraka ny fandaharan'asany momba ny fanavaozana izay nampanantenaina nandritra ny fampielezan-kevi-pifidianana.
Ny Fahamarinana Sy Ireo Vokany
Ny zavatra voalohany nanaitra ahy rehefa nandalo teo anoloan'ny Sendikàn'ny Gazety aho, vao tsy ela akory izay tamin'ity herinandro ity, mba hanongilan-tsofina hihaino ny fihaonan'ireo blaogera ejiptiana, dia ny fisian'ireo fiaraben'ny Fiarovana Foibe nihantsona manodidina ny zoron-dalana rehetra
Filipina: Nitory bilaogera ny mpikambana iray ao amin'ny kabinetra
Miatrika fitoriana fanalam-baraka tamin'ny lahatsoratra navoakany tamin'ny volana oktobra ilay bilaogera Ella Ganda. Nilaza i Ella fa ny entana fanampiana ho an'ireo tra-boinan'ny rivo-doza dia angonina ao amin'ny trano fitehirizan'ny governemanta ao amin'ny Departemantan'ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana (DSWD)..
Lahatsary: Onjampeo An'ireo Vondrom-piarahamonina, Mameno Ny Banga Amin'ny Tsy fahampian'ny Vaovao
Na eo aza ny fanatontoloana sy ny firoboroboan'ny informatika, mbola maro ireo toerana tsy afaka misitraka izany eto ambonin'ny tany.
Goatemalà: malalaka ny aterineto, afaka mamahana bilaogy ny olon-drehetra
Tany ampiandohan'ny taompolo 90, voafehy ny gazety, ary ny manankatao ihany no afaka niditra tamin'ny fisian'ny aterineto vaovao. Raha vao nomena ny tsy miankina ny indostrian'ny fifandraisan-davitra dia maro ny olona no afaka niditra tamin'ny tranonkala manerana izao tontolo izao, ary afaka namahana bilaogy noho izany ny ankamaroan'ny olona.
Mpanao Gazety Tsy Misy Sisintany: Ahoana No Hiarovany ny Bilaogera Ary Ahoana No Hahafanahao Manampy
Tamin'ny volana May 2006, namoaka ny pejiny "Ampio Ireto Bilaogera Ireto" ny Global Voices, izay mampahafantatra ny fidiran'ny fikambanana amin'ny fisoloana vava an'ireo bilaogera mba hiarovana ny fahalalahana miteny ety amin'ny aterineto.
Korea: Vahiny Eo Amin'ny Fahitalavitra Koreana
Misy fandaharana eo amin'ny fahitalavitra mikasika vehivavy vahiny mahay miteny Koreana ary maneho ny heviny momba ny fiarahamonina sy ny kolontsaina Koreana