Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Febroary, 2018

‘Mividiana Karatra SIM Vaovao’ Dia Miandrasa Fanadihadiana Bebe Kokoa: Mitazona Sy Maka Am-bavany Mpanao Gazety Iray Ny Sampan-draharaha Misahana ny Fiarovana ao Rosia

Nisava ny tranon'ny mpanao gazety Pavel Nikulin ny sampan-draharaha misahana ny fiarovana anatiny 'FSB' ao Rosia ary naka solosaina, atontan-taratasy ary dikan'ny gazetiny tsy miankina.

Thailandy: Sivana Ataon-tena, Nofafan'ny YouTube Ny Lahatsary Miantso Fanoherana Mpanjaka

Miasa tsara ny sivana eo amin'ny YouTube - mangingina. Ny iray amin'ireo lahatsary nosivanina mangingina dia afaka hita manerana izao tontolo izao, afa-tsy ao Thailandy irery ihany.

Kyrgyzstan: Aprily Mampitebiteby

"Ara-teoria, azo sokajiana ho toy ny fampitambaovao ny aterineto eo amin'ny sehatry ny fanaovana lalàna. Saingy ....? Ahoana no afaka ampiharana ny lalànantsika amin'ireo lohamilina vahiny? [...] Tsy afaka teriterena ny aterineto

Hatramin'ny Taona 2016, Nohelohin'ny Fitsarana ao Myanmar Daholo Ny 100%-n'ny Olona Voampangan'ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra 66 (d)

"Samy nanome sazy an-tranomaizina ny fitsarana tsirairay ary tsy nisy nanome onitra."

Maninona No Hiandry? Voatondron'ny FWikipedia sy Google Tsy Nahy ho Mpandresy ny Fifidianana Filoham-Pirenena Amin'ny Volana Martsa 2018 i Poutine.

Tsy hay na natao ho toy ny hanihany ilay hadisoana, na toy ny hetsika ara-politika.

Nahemotra Ny Fitsarana: Fihetsiketsehana Rehefa Namoaka Ary Avy Eo Nampidirin'ny Fitsarana Tiorka Am-ponja Indray ny Lehiben'ny Amnesty International

"The court changed its mind... Why? Who knows, no grounds provided. Devastating for the family and an affront to justice." "Nanova ny heviny ny fitsarana ... Nahoana? Tsy misy mahalala ny antony. Fahaketrahana ho an'ny fianakaviana ary fanitsakitsahana ny rariny."

Nanomboka Tambajotra Ho Fiarovana an-Tserasera Ho An'ny Mpanao Gazety ny (DRF) Fikambanana Momba ny Zo Nomerika ao Pakistàna.

Ny tambajotra izay tena ahitana sotasota indrindra dia hita hoe ny Facebook ka ny fitarainana dia momba ny kaonty fako, ny fampiasana ireo vaovao amin'ny tsy tokony ho izy, ny imailaka mainty, ireo hafatra tsy iriana sy ireo kaonty na fitaovana voajirika.

Mitambatra Ireo Mpikatroka Nomerika Ao Myanmar Mba Hiaro Ny Zo Nomerika-n'ny Vahoaka Ao Amin'ny #DigitalRightsMM

Hatramin'ny taona 2011, niainga  2.5 isan-jato hatramin'ny 90 isan-jato mahery ny taham-pidirana amin'ny finday ao Myanmar, nitondra olom-pirenena an-tapitrisany tanaty aterineto satria niala ny didy jadona miaramila nankany amin'ny demokrasia lalàm-panorenana ny firenena .

Ireo Mpandresy Tamin'ny Loka Bilaogy Afrika Atsimo 2010

Nambara tamin'ny 25 Septambra 2010 tamin'ny lanonana fankalazana isan-taona tao amin'ny hotely One & Only, Cape Town ireo mpandresy tamin'ny Bilaogy Afrika Tatsimo Tsara Indrindra 2010.

Shina: Fandraràna Ny Kolontsaina Shanzhai ?

Amin'izao androntsika izao, afaka fotsiny manome sosokevitra momba ny vary sy ny tay ireo solotena, tsy misy olona ho sahy hanolotra fepetra hanoherana ny kolikoly. Dia manontany tena aho hoe iza no soloin-dry zareo ireo tena?