Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Febroary, 2017
Chequeado.com: Fiaraha-Mientan'ny Mpanao Gazety Arzantiniana ‘Hanamarina’ ny Lahateny Kabariana Ampahibemaso ao Amerika Latina
"Ampangain'ny manampahefana ho mpanohitra sy manohitra [izay ataon'ny] governemanta izahay. Soa ihany, satria tsy mikasa ny hinamana amin'izy ireo izahay, fa mikasa hanangana vondrom-piarahamonina aminareo. Ny fanamarinana amin'ny alalan'ny zava-misy marina...."
Nandresy Taorian'ny Fahafatesany ireo Mpanao Gazetin'ny Népszabadság, Gazety Hongroà Iray Nakatona
Namoaka didy ny fitsarana Hongroà fa tsy ara-dalàna ny fanakatonana tampoka tamin'ny Oktobra ny gazetin'ny Népszabadság, mivoaka isan'andro ao amin'ny firenena .
Tratran'ny Mpanaramaso ny Ady Amin'ny Kolikoly Okrainiana Indray Ireo Depiote Mandatsa-bato Imbetsaka
Knopkodavstvo, na tsindry bokotra fanampiny, araka ny fahafantarana ny paikady, no manjaka amin'ny latsa-bato ao amin'ny parlemanta ao Okraina nandritra ny taona maro.
Niseho Teo Anatrehan'ny Fitsarana Emirà Arabo Mitambatra Ilay Mpanao Gazety Jordaniana Rehefa Niandry Herintaona Mahery
Notsaraina tao amin'ny firenena Emira Arabo Mitambatra ilay mpanao gazety noho ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook tamin'ny taona 2014 izay noheverina ho maniratsira ny fanjakana Emirati .
Hoy Ny Minisitry ny Fanabeazana Ao India Hoe ny Ombivavy no Hany Biby Mifoka Sady Mamoaka Oksizena
"Rahoviana vao hifarana ity tsy misy fotony ity? Sa tsy hifarana mihitsy? Toa mampihomehy noho ny teo aloha avokoa izay fanambarana rehetra. [..] ."
Ady Amin'ny Vaovao Tsy Marina, Olana Tsy Azo Atao Ambanin-javatra amin'ny Fifidianana ho Filoham-pirenena
Tsy asa mora ny manavaka ny vaovao marina sy ny tsy azo antoka
Ao Iràna, Avy any am-Ponja ka Hatramin'ny Fandroahana Noho ny Nanoratany Vazivazy tao amin'ny Facebook
Taorian'ny nahavitany ny sazy dimy taona tany am-ponja tao Iràna noho ny vazivazy momba ny fivavahana navoakany tao amin'ny Facebook, noteren'ny fitsaràna hanao sesitany ny tenany any atsimon'ny fireneny i Soheil Babadi
Hiseho Sehatra, Hamaky Fefy Any Amin'ny Herinandron'ny Lamaody Any Lakme Ilay Nepaley Vavilahy Mpilatro
"Tsy maintsy sarotra ny làlana, nefa azoko antoka hitondra anao amin'ny ho avy mamirapiratra sy tsara mendrika anao io làlana io."
Mety Hiatrika 25 Taona An-tranomaizina Ilay Bilaogera Alzeriana Merzoug Touati Noho Ny Antsafa Nataony Tamin'ny Manampahefana Israeliana Tao Amin'ny YouTube
Niampanga an'i Merzoug Touati, bilaogera, tamin'ny "fanomezam-baovao fitsikilovana ho an'ny firenen-kafa", tao amin'ny lahatsarin'ny antsafa nalefa ho an'ny daholobe izay nifanaovany tamin'ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharahambahiny Isiraeliana ny manampahefana Alzeriana.
Mankalaza Ny Famotsorana Ilay Gadra Politika López Rivera i Pôrtô Rikô
Nanambara ny lehiben'i San Juan, Carmen Yulín fa hiomana amin'ny hetsika manokana amin'ny fahatongavan'i Oscar Lopéz amin'ny volana Mey ny tanàna.