Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Desambra, 2016
Ghana: Masoivohon'i Etazonia Sandoka Ao Accra Namoaka Visa Azo Tamim-Pitaka
Niasa nandritra ny folo taona tao Accra, renivohitr'i Ghana, firenena iray ao Afrika andrefana ny Masoivohon'i Etazonia sandoka. Natsangana sy tarihin'ny tambajotran'jiolahy ahitana Ghaneana sy Tiorka izy io ary mamoaka visa sy antontan-taratasy Amerikana hafa tena izy.
Lasibatry ny Governemanta Sodaney ny Mpikatroka, Tampenam-Bava ny Fampahalalam-baovao Mitatitra Tsy Fankatoavam-Bahoaka
Nanomboka tamin'ny 27 Novambra ny hetsika tsy fankatoavam-bahoaka rehefa nesorin' ny governemanta ny fanampiana ara-bola amin'ny herinaratra, ny akoran'afo ary ny fanafody.
Nanatontosa Fanentanana Hanafoanana Ny Lalàna Manenjika Mpitrifana Nanamelohana Azy Ilay Bilaogera Rosiana
Nanao fanangonan-tsonia hanafoanana ny lalàna andininy faha- 282 ao amin'ny Fehezan-dalàna Ady Heloka Bevava Rosiana ilay bilaogera malaza, Nossik, voaheloka tamin'ity lalàna ity."
Niova Hevitra Momba Ny Fanerena Ny Google Ny Mpandrindra Ny Fampahalalam-baovao Rosiana
Ora maro taorian'ny nitateran'ny fampahalalam-baovao fa namoaka toromarika ny sampan-draharaham-panjakana mpandrindra ny fampahalalam-baovao, Roskomnadzor, hanerena ny Google hisoratra anarana indray ao Rosia na ho voasazy, dia niova hevitra ny solontenan'ny sampan-draharaha, nilaza tamin'ny roem.ru fa nandiso vaovao ny Izvestiya, gazety namoaka ny vaovao.
Manamafy Ny Fanereny An'I Google I Rosia
Namoaka toromarika manery ny Google mba hanova ny fisoratany anarana hatramin'ny faran'ny volana Martsa ny Roskomnadzor, sampan-draharaha mifehy ny fampitam-baovao Rosiana.
Karazam-Pihetseham-po Manoloana ny Teatira Vaovao Ao Podil, Kyev
Nankasitraka sy nihorakoraka tamin'ny fampisehoana ny "Trano fanaovana fampisehoana tantara an-tsehatra" ao amin'ny iray amin'ireo arabe tranainy indrindra ao an-tanandehibe ireo mponina ao Kyev.
Mandalina ny Endritany Niomerika Ny Fivorian'ny Manampahaizana Miray Anaty Tambajotra ao Melbourne
Nohalalinina tao amin'ny Fivorian'ireo Manampahaizana Miray Anaty Tambajotra tao Melbourne ny loza mitatao sy ny fahafahana omen'ny tontolo niomerikantsika sy ny fiakaran'ny 'Sehatra Fahadimy'.
Na Teo Aza ny Fanafoanana, Mbola Be Fanantenana ihany Ny Mpanorina ilay Tranonkala Fanaovan-gazety Shinoa Nahazo Loka
Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Catherine Lai ary navoaka voalohany tao amin'ny Free Press tao Hong Kong tamin'ny 12 Novambra, 2016. Zaraina ao amin'ny Global Voices eo ambanina fifanarahana fiarahamiasa ity dika eto ambany ity. Na eo aza ny fitazonana mitohy ireo mpanao tatitra ao aminy ary rehefa nogadraina indroa ny mpanorina ilay tranonkala fampahalalam-baovao…
Filma Sahisahy Miresaka Fifohazana Ara-pananahan'ny Vehivavy Indiana Iray Voampanga Ho Mamindra Fo amin'ny Fametavetana Zaza
Vao mainka miteraka olana bebe kokoa ity finiavana hametraka ho toy ny mandeha ho azy ny fihetsika tsy mendrika iray ity ao amin'ny firenena iharan'ny herisetra henjana matetika ny vehivavy sy ny ankizy.