Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jona, 2016
Inona Ny Fitsarana An-tendrony Ataon'ny Eoropeana Amin'i Japana? Indro Ny Torohevitra Mameno Tena Omen'ny Google Momba Izany
Andian-tsarintany vaovao amin'izay tena sainin'ny Eoropeana amin'i Japana, sy izay tena sainin'ny vahoaka japoney amin'ireo faritra hafa amin'izao tontolo izao.
Bilaogera Rosiana Nosamborina Rehefa Nanampy Mpanao Gazety Amerikana Nanao Tatitra Resaka Fananana Mifaka Olaimpika Tao Sochi
Nosamborina raha mbola teo amperinasa niaraka tamin'ny ekipa mpilalao sarimihetsika HBO i Aleksandr Valov ,bilaogera sady mpanao gazety Rosiana no tonian-dahatsoratry ny tranonkala BlogSochi
Andiany Voalohany Amin'ny Fetibe (FABY) Iraisan'ireo Afrikana Mpanoratra Bilaogy Sy Mpikirakira Youtube Ao Dakar, Senegaly
Nampiranty ny talentany sy ny fahaizamanaony nandritry ny andro roa ireo andianà bilaogera sy mpikirakira Youtube 36 avy aty Afrika, niaraka tamin'ireo mpisehatra erantany nofantenana avy amin'ny tontolo dizitaly Afrikàna
Namoaka Sary Tao Amin'ny Twitter Ny Japoney Mba Hanaporofona Fa Monina Any Ankodahoda Ry Zareo
Manomboka amin'ny takelaby fiampitan'ny foza hatramin'ny akoholahy an'ala mivoaka ny tanàna, mampiseho ny fiainana ao ambanivohitra Japoney izany.
Olana Ao Trinidad Sy Tobago? Manorata Amin'ny Mpanjakavavy!
Tezitra noho ny haavon'ny heloka bevava ao amin'ny firenena ny olompirenena iray ka nanoratra ho an'ny Mpanjakavavin'i Angletera mba hitady fanampiana. Namorona tenifototra iray ireo mpampiasa media sosialy.
Zanj Radio: Onjam-peon'ny Mozika Antserasera Ao Jamaika Miaraka Amin'ny Hafatra Ara-tsosialy
"Tsy vondrona media iray hafa fotsiny ity. Fa vahaolana."
Azerbaijan: Afaka i Khadija, Fa Miandry Ny Anjarany Ireo Gadra Politika Hafa
"Modelin'ny rafitra politika Eoropeana ny rafitra politikanay," hoy ny Twitter-n'ny Filoha matanjak'i Azerbaijan Ilham Aliyev.
Fara-fanànana An'i Holly Betaudier, Lehilahy Iray Nanokana Ny Fiainany Hampiroboroboana Ny Fahasamihafàna Ara-Kolontsaina Tao Trinidad & Tobago
"He created the bridge between successive generations and offered [...] the experiences of many of our early artists who painted the tapestry of life in Trinidad and Tobago!" Namorona tetezana mampifandray ny andiany nisy azy sy ireo taranaka nifandimby izy, [...] ireo zavatra niainan'ireo mpankanto maro tany am-boalohany izay nandoko ny karipetran'ny fiainana tao Trinidad sy Tobago!