Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Febroary, 2016
Taorian'ny Famborahana Ny Fanaovana Sotasota Ara-pananahana Any Amin'ny Toerampiasàna, Milaza Ny Iraniana Iray Mpanolotra Vaovao Fa “Tonga izao ny Fotoana Hiavotana Ho Afaka”
Voalaza fa nandositra ny firenena i Sheen Shirani taorian'ny famoahana ireo porofo tamin'ny Facebook fa nanao herisetra ara-nofo taminy ireo lehibeny. Asongadin'ilay tranga ny faharatsian'ny andraikitry ny vehivavy eo amin'ny tontolon'ny asa ao Iràna.
Fanehoana An'i Filipiana Amin'ny Alàlan'ny Tantara An-tsary Manantantara Feno Fanavakavahana Manohana Ny Fananiham-bohitr'i Etazonia
Asehon'ireo tantara an-tsary ho toy ny olona tsy nahalàla fandrosoana ireo Filipiana, ka nila ny tafika amerikana mpanani-bohitra mba hanabe azy.
Tari-dalana Twitter Vetivety Momba Ny Fifidianana Ao Oganda Amin'Ity Volana Ity
Atolotry ny Global Voices ny taridalana Twitter ahitanao ny fanavaozam-baovao, vaovao, fanadihadiana ary tatitra mifandraika amin'ny fifidianana ao Ogandà amin'ity volana ity.
Mieritrereta Tsara Alohan'ny Hanompànao Ny Sakafo Peroviana
Mety ho mpiaro ny sakafon'ny fireneny ny Peroviana. Niresaka tamin'ireo olona roa izay sahy mba niteny ny fanaratsiany momba ny sakafo ny Radio Ambulante an'i Daniel Alarcón, miaraka amin'ireo vokatra tena hafa mihitsy.
Na Ny Japoney Aza Nandoka Ilay Tantara Miaina Mampihomehy Nanaovana Ny Fintin'ny Tantaram-Pireneny
Nalaza tamin'ny aterineto ny lahatsarin'i Bill Wurtz miresaka tantaran'i Japana, nahazo mpijery an-tapitrisany tao anatin'ny herinandro monja.
Savaravina Ataon'ny Media Sosialy Karibeana Momba Ny Hatezerana Mafy Mitambolona Manodidina Ny Fihetsika Tampok'ilay Mpilalao Cricket Chris Gayle
"Toa mihoatra ny tokony ho izy aza ny fanamelohana manerantany ny fanadalàn'i Chris Gayle [kanefa] fampahatsiahivana tsara ilay resabe mikasika iny zava-nitranga iny, milaza fa misy ny tsipika tokony tsy azo ihoarana."
‘Ebola Rosiana': Tetikasan'Olom-pirenena Mikaroka Momba Ny Fahafatesan'ireo Rosiana Tao Amin'ny Toeram-pitazonan'ny Polisy
Efa ho isanandro, maty any amin'ny toerana fitazonan'ny polisy ireo Rosiana, matetika noho ny antony tsy fantatra. Mandrakitra ny fahafatesana tsirairay ny tetikasa iray ety anaty Aterineto, antsoina hoe "Ebola Rosiana", mba hampitombo ny fahampahafantarana ireo olan'ny tsy fanajàna zon'olombelona.
Potika Ny Asan'ny Vehivavy Iray Olo-Malaza Amin'ny Fahitalavitra Japoney Noho Ny Fanaovany Sipa Tamin'ny Mpihira Iray Efa Manambady
Ny fiainam-pijangajangana iray manasongadina ny tsy fanananan'ny tontolon'ny fialamboly ao Japan antra sy indrafo.