Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Desambra, 2015
Aterineto ambany fikoriana, fanantenana ambony nirariana: Fandraisana anjara nomerika tamin'ny fifidianana tao Venezoelà
Na dia ambany fikorisa aza ny aterineto ary voamarika tany amin'ny toerana sasantsasany ny fahatapahan'ny aterineto miverimberina, dia voaporofo fa mitana anjara toerana lehibe amin'ny resaka ifanaovana amin'ny vahoaka sy ny fivezivezen'ny vaovao momba ny kandidà, indrindra ireo avy amin'ny fanoherana ny tranonkalan-tserasera.
Dinika Iraisampirenena Momba Ny Demokrasia 2015 : Fahalalahana sa Fanarahamaso
Andiany faha-4, Forum Iraisam-pirenena ho an'ny Demaokrasia tao Strasbourg.
Dian'ilay Mpanao Gazety Olo-tsotra Ao Anatin'ny Tanànan'i Aleppo Ravan'ny Daroka Baomba An'habakabaka
Midika izany matetika fa mihazakazaka i Rami Jarrah mba hijery ny voka-dratsin'ny daroka baomba ao Aleppo, tahaka ny nataony vao haingana raha nihaona tamina raim-pianakaviana raiki-tahotra, mitaintainana mitady ny hava-tiany izy.
Ao Amin'ny Tatitra Momba Ny Fahalalahan'ny Aterineto Any Afrika, Tena Ratsy Ny Isa Azon'i Gambia
Gambia, ilay fanjakana kely any Afrika Andrefana, no faharoa amin'ny ratsy indrindra rehefa miresaka ny fahalalahan'ny Aterineto any Afrika atsimon'i Saharà.
Nogaomain'ny Thailandey mpanonta pirinty ny lahatsoratra amin'ny fonon-gazety International New York Times
"Nesorin'ny mpanota pirinty teto Thailandy ny lahatsoratra teto amin'ity toerana ity. Tsy misy idiran'ny International New York Times sy ny ekipam-panoratana ao aminy ny fanesorana azy. ."
Mihaika ny Dinam-Piarahamonina Ao Venezoelà ny Kandidà Iray Nanova Taovam-Pananahana
Manantena ny hahatratra ny Antenimieram-Pirenena ny kandidà Venezoelana trans voalohany indrindra eo amin'ny tantara ary hitondra ireo lohahevitra tahaka ny mariazim-pitoviana, fiovana anarana sy mahalahy/vavy eo amin'ny antotan-taratasim-panondroana.