Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jolay, 2014
Mpanolotra Vaovao Malaza Ao Amin'ny CCTV Rui Chenggang Notazonina Ao Anatin'ny Fampivelarana Ny Ady Amin'ny Kolikoly
Nalaina tao amin'ny trano fiasany tamin'ny 11 Jolay i Rui Chenggang, 36 taona, mpanolotra vaovao ao amin'ny fahitalavitra ara-pitantanam-bola CCTV 2 alohan'ny hanombohan'ny fandaharany, nalaina niaraka taminy koa ny tale lefitra misahana ny vaovao ara-pitantanam-bola ao amin'ny orinasa sady mpanatontosa fandaharana, araka ny filazan'ny fampahalalam-baovaom-panjakana.
Manamafy Ny Fanakendàny Ny Aterineto Ny Fitondrà-miaramila Thai
Ny zava-tsikaritra avy amin'ny andrana fandrefesana tambajotra nataon'ny Citizen Lab dia maneho fa “tena faran'izay niovaova (dynamique) be" ny fibahanana nandritry ny andro taorian'ilay fanonganam-panjakana.
Inona No Tsy Itiavan'ny Filohan'i Filipina An'ilay Mpilalao Horonantsarimihetsika Malaza Nora Aunor Ho Mpanakanton'ny Firenena
Niteraka tabataba teo amin'ireo Filipinina ny fitsipahan' ny filoha Benigno Simeon "Noynoy" Aquino ny fanendrena ilay kalazan'ny horonantsari-mihetsika hitondra ny anaran'ny Mpanakanton'ny Firenena.
Nosamborina i Takrooz, Bilaogera Bahrainita Mpanaraby
Nosamborina ilay Bahrainita bilaogera mpanaraby, Takrooz izay voampanga ho "nitarika fankahalana ny fitondrana." Miaka-peo ny mpiserasera ary milaza fa izy ireo no Takrooz manaraka.
Brezila: Toerana 5 Nanaovan'ny Olona Hetsi-Panoherana, Fa Tsy Fanohanana, Nandritra Ny Fanombohan'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany
Tsy ny rehetra any Brezila no taitran'ny fijerena ny Fiadiana ny Amboara Erantany. Misy antokon'olona manohitra ny fandaniana ilay vola be tokony hanasoavana vahoaka manerana ny firenena.
Ny Fahatafintohinana Sy Hatezeran'ny Vahoaka Aostraliana Tamin'ny Sazy Nomen'ny Fitsarana Ejipsiana Ny Mpanao Gazetin'ny Al Jazeera
Ny mpanao gazety no voalohany naneho ny fihetseham-pony tao amin'ny haino aman-jery sosialy mikasika ny hatezeran'ny vahoaka Aostraliana tamin'ny sazy efain' ireo mpanao gazetin'ny Al Jazeera any Ejipta.
Ankoatra Ny Lohatenin'ny Mondialy: Tsy Manana Fisainan'Ekipa i Iran, Fa Feno Izany Kosa Ny Avela Ao Brezila
Tsy maintsy mahafantatra zavatra bebe kokoa noho ny football fotsiny ianao raha te-hahatakatra ny fandehan'ny fiadiana ny amboara manerantany. Manolotra ny mahazava-dehibe ny resaka fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona manodidina ny lalao i Deji Olukotun.