Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Novambra, 2013
Fandokafana Ny Dian'ny Filoha Tany Eoropa Fotsiny Ny Tatitra Avy Amin'ireo Fampahalalam-baovao Koreana Tatsimo
Sambany nitsidika an'i Eoropa ny filoha Koreana Atsimo, nisolelaka nanatsara azy fotsiny no nataon'ny fampahalalam-baovao. Koreana, fa tsy nitatitra izay tena anton-diany tany Eoropa.
Bilaogeram-paritra Lasibatry Ny Polisy Rosiana Noho Ny Resaka “Tafahoatra / Extremisme”

Nampanginin'ny manampahefana any amin'ny faritra ao Rosia ireo bilaogera mpanohitra ao an-toerana, amin'ny fanenjehana azy ireny ho manao resaka 'tafahoatra / extremisme'.
Mpanao Gazety Syriana Abdulwahab Mulla Nalaina An-keriny Tao Aleppo
Nalain'ireo jiolhay misaron-tava an-keriny tao an-tranony ao amin'ny faritra afaka ao Aleppo ilay mpanao gazety olo-tsotra sy mpanesoeso Abdulwahab Mulla, 24 taona. Mitaky ny famotsorana azy ireo mpiserasera.
‘Arakaraka Ny Ahafantaranao Ny Marina No Mahasorena Anao': Andron'ny Mpanao Gazety ao Shina
Ao anatin'ny famoretana miseho ankehitriny ao amin'ny firenena, nandinika ny toeran'ny indostriam-baovao nandritra ny andron'ny Asa fanaovan-gazety ireo mpanao gazety shinoa.
Trinidad & Tobago: Mivoaka Mandresy ny Mpanohitra; Mbola Manantenana Hatrany Ny Governemanta
Mbola mafàna avy any amin'ny fandresena azony tamin'ny fifidianana ny ho Governemantam-Paritra, nandresy indray koa tamin'ny fifidianana ho fisoloan-toerana tao St. Joseph ny mpanohitra, Hetsika Nasionalim-Bahoaka (People's National Movement) - kanefa mbola mampitraka ny lohany amim-panantenana ihany ny governemanta.
Ejipta: Sehon'i Bassem Youssef Voaràra Taorian'ny Fanenjehana Araka ny Lalàna
Nitàna ny fofon'ainy ry zareo Ejiptiana teo ampiandrasana ny Al Bernameg, seho mahatsikaikin'i Bassem Youssef' tao amin'ny fahitalavitra ; Amin'izao fotoana, ny harivan'ny tokony handefasana ny fizaràna faharoa, nesorina tsy azo halefa ilay fandaharana.
Arabia Saodita: Nosamborina Ilay Mpanoratra Nanohana Ireo Vehivavy Mpitondra Fiara
Enina andro lasa izay dia nosamborina noho ny fanehoany ny fanohanana ny zon'ny vehivavy ao amin'ny fireneny hitondra fiara ny mpanoratra Saodiana iray. Ankehitriny ny mpiserasera no mitaky ny famotsorana azy.