· Oktobra, 2013

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Oktobra, 2013

Torolàlana Ho An'ireo Vao Hanomboka Hampiasa ny Wikimedia Commons

Rising Voices  06 Oktobra 2013

Mampiantrano failo media maherin'ny 18 tapitrisa izay azon'ny rehetra ampiasaina ny Wikimedia Commons. Io no toerana ahafahan'ireo mpampiasa manampy amin'ny fanaingoana ny Wikipedia sy ny tontolo manodidina azy ireo. Nefa araka ny hitan'ireo olona vaovao mandray anjara, mety ho fanamby ny fanakàrana ny tontolon'ireo zavatra azon'ny olon-drehetra ampiasaina sy mitondra fahalalana. Vao haingana izay dia namoaka boky kely iray vaovao manome torolàlana izy ireo ho fanampiana amin'ny fanamoràna ny fiaraha-miasa sy ny famatsiana votoaty.

Mamorona Rakibolan'ny Fitenenana Amin'ny Alalan'ny Tànana Ao Anaty Aterineto Ireo Aostraliana Zanatany

Rising Voices  03 Oktobra 2013

Ny Iltyem-Iltyem, izay midika hoe "miteny amin'ny alalan'ny tànana" amin'ny teny Anmatyerr, dia tetikasa tariham-behivavy manangona lahatsary an-jatony avy any amin'ireo vondrom-piarahamonin-janatany, manangona ireo fiteny amin'ny alalan'ny tànana izay efa nampiasaina nandritra ny taranaka maro mba hifaneraserana lavitra, rehefa miafina na misy olona hafa miteny.

Miara-miasa Amin'ny InfoAmazonia ny Global Voices

  02 Oktobra 2013

"Ampiasao ho fitaovana izahay", niteny tamin'ny ekipan'ny Global Voices ny Mpandrindra ny Tetikasa sady Mpiara-miasa ao amin'ny Knight International Journalism Gustavo Faleiros rehefa nanome soso-kevitra ny hanompo ny vondrom-piarahamonin'ny mediam-bahoaka eo amin'ny resaka sarintany sy ny fijerena ny rakitra any Amazonia