· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Novambra, 2012

Filipina: Ny Fomba Nivadihan'ny “I’m a Liar?” Ho Lasa Tenifototra #amalayer

  20 Novambra 2012

Mpianatra eny amin'ny Kolejy, nitrerona ilay vehivavy iray mpiambina tao amin'ny tobim-piarandalamby ao Manila sady niampanga ity farany ho nivatravatra. Voarakitra anaty lahatsary ny hatezerany ary nisy nampakatra aty anaty aterineto. Ireo Filipiana mpikirakira aterineto nahita ilay lahatsary dia samy nanatsiny ilay mpianatra avokoa ho be dehaka sy tsy ampy fanajàna. Nampiasain-dry zareo ny tenifototra #amalayer ho enti-manondro ny fomba fanonon'ilay mpianatra ny teny hoe ‘I'm a liar’.

Fandoroana Boliviana Mpanao Gazety Miasa Aminà Radio Tao Yacuiba

  16 Novambra 2012

Ny Alatsinainy 29 Oktobra 2012 dia niharan'ny fanafihan'olona efatra nisaron-tava sy fandoroana fananan'olona ireo Boliviana mpanao gazety, Fernando Vidal sy ny teknisian'ny fampielezam-peo Karen Arce avy amin'ny Radio Popular ao Yacuiba. Ny tsoa-kevitra voalohany dia manondro fa mety misy ifandraisany amin'ny ampamoaka fanakianana ny resaka kolikoly sy varo-maizina nataon'i Vidal ilay fanafihana.

Takon'ny Fifandonana Ny Alina Ny Fitokonana Faobe Am-pilaminana Tao Portiogaly

  16 Novambra 2012

Nitondra indray mandeha indray ny vahoaka ho eny an-dalambe nanerana ny firenena ilay fitokonana faobe tao Portiogaly ny 14 Novambra 2012, hijoroany hanohitra ny fisongan'ny politikam-pitsitsiana. Ny tena hery manosika ny vahoaka hanao fihetsiketsehana na izany aza, dia tsy takatr'ireo fampahalalam-baovao mahazatra loatra noho ny fisian'ireo hetsika mahonena "mahasarika kokoa ny maso": tamin'ny fiafaràn'ny andro iray nafotaka nanaovana hetsika am-pilaminana sy fitorevahana, ny fifanandrinana nivadika ho herisetra teo amin'ny polisy sy ireo mpanao hetsi-panoherana no zary lasa lohatenim-baovao mirantiranty.

Naneho Hevitra Momba Ny Fahalanian'i Barack Obama Ho Filoham-pirenena Amerikana Indray i India

  16 Novambra 2012

Niteraka hafaliana sy fanehoan-kevitra tao India ny valim-pifidianana filoham-pirenena Amerikana. Teo anivon'ny governemanta, niarahaba ny filoham-pirenena Amerikana Barack ny Praiminisitra Manmohan Singh ary toy izany ihany koa i Sonia Gandhi, filohan'ny Antoko Kongresy Nasionaly Indiana. Saingy manao ahoana kosa ary ny fihetseham-pon'ireo mponina ao India – inona no mba nolazainy? Shibayan Raha ao amin'ny...

Polisy Manao Be Midina Ao An-tranonà Mpitoraka Bilaogy An-dahatsary Ao Japana

  15 Novambra 2012

Nanao be midina tany an-tranonà mpitoraka bilaogy an-dahatsary izay nandrakitra ireo hetsi-panoherana ny nokleary ny polisyJ mba haka porofo hamelezana mpanao fihetsiketsehana iray mahery setra. Isaky ny Zoma, misy fifamorian'ireo mafàna fo eo anoloan'ny Biraon'ny Praiminisitra Japoney ao Tokyo sy any aminà tanàna maro samihafa mba hanao hetsi-panoherana. Raha tsy dia miresaka loatra an'ireny hetsi-panoherana ny nokleary ireny ireo fampahalalam-baovao mahazatra, zava-dehibe sy tsy mitsitsy kosa amin'ny fitaterana ny tantara ireo lahatsary avy amin'ny olon-tsotra.

Madagasikara: Fanenjehana Mpanao gazety sy Mpiblaogy maro izay nitatitra mikasika ireo fanondranana andramena tsy ara-dalàna

GV Mpisolovava  14 Novambra 2012

Ny fikambanana miaro ny fahalalaham-pitenen'ny mpanao gazety manerantany ‘Reporters sans Frontières’ (RSF) no nitatitra fa mpanao gazety efatra sy mpiblaogy iray no atao fanoavana nohon'ny fanalambaraka sy “tsikombakomba amin'ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra” [fr]. Ny fitoriana anaovana fanoavana ireto mpanao gazety ireto dia napetraky Atoa Mamy Ravatomanga izay mpanefoefo tompom-pantsona fampahalalam-baovao maro sady efa...

Herinandro Fitorahana Bilaogy Ao Maoritania Hanoherana Ny Fitrandrahana Harena An-kibon'ny Tany Ataon'ny Vahiny

  14 Novambra 2012

Nanao hetsika fanentanana mitondra ny lohateny hoe "Fanoherana ny fitrandrahan’ireo orinasa vahiny ny harena an-kibon’ny tany" ny mpitoraka bilaogy Maoritaniana nandritry ny herinandro. Mizara amintsika ny lahatsoratra tanaty bilaogy sy ireo bitsika avy amin'io fanentanana io, izay mikendry ny anehoana ny voka-dratsy aterak'ireo orinasa ireo eo amin'ny sehatry ny toe-karena, tontolo iainana, maha-olombelona sy ny fahasalamana i Ahmed Ben Jedou.

“Latinitas,” Mampavitrika Ny Tanora Latina Amin'ny Fampiasana Teknolojia

  13 Novambra 2012

Soa fa tsy nifarana hatreo ny hevitra tsara rehetra noresahana tany an-dakilasy. Tamin'ny taona 2002, nanomboka namorona gazetiboky mifantoka amin'ny traikefa ananan'ny tanora Latina i Laura Donnelly sy Alicia Rascó nianatra tao amin'ny Oniversiten'i Austin, Texas. Taorian'ny fahavitan'ny fianarana, nanohy nametraka fifandraisana matihanina ilaina amin'ny famoronana ilay fantatra amin'ny anarana...