Tantara mikasika ny Haisoratra
Fanomezam-boninahitra poeta Keniàna, Grandmaster Masese izay niaro ny kolontsaina Abagusii tamin'ny alàlan'ny tononkalo sy hira
Ny fanambarana ny rakikira iray malaza an'i Masese tamin'ny Desambra 2021 tamin'ny endrika Dizitaly, CD sy Vinyl no rakikira voalohany lava indrindra an'ny mozika Obokano novokarina hatramin'ny taona 1972.
Efa misy ny fampiasa (app) ho an'ny boky Afrikana amin'ny teny Portiogey
Noho ny fanohanan'ny Fondation Miles Morland (Londres) sy ny fiaraha-miasan'ny Fikambanana Mozambikana momba ny Fandalinana Ampiharina (Nampula) no nahatontosana ny fangatahana.
Fanombohana ny tetikasa tantara an-tsary voalohany ho an'ny firenena Afrikana miteny Portiogey
Iray amin'ireo hetsika miavaka amin'ity tetikasa ity ny vatsim-pianarana ho an’ny famoronana tantara an-tsary isan-taona ho an'ny mpanao sary sy mpanoratra tantara ho an'ny mihoatra ny 18 taona.
Fijerin'ny Kôlômbiàna ny vokatra ‘Encanto’ an'ny Disney
"Ny lafy tsara amin'ny fijery an'ilay firenena tian'ireo Kôlômbiàna hanànany" no asongadin'ilay sarimihetsika.
Mitondra taratry ny fanantenana ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny ny boky fitsipi-pitenenan'ny teny Mro voalohany
Tamin'ity taona ity, zava-nisongadina tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny ao Bangladesh ny famoahana ny boky fitsipi-pitenenana voalohany nosoratana tamin'ny teny Mro, fiteny indizeny iray tandindonin-doza.
‘Strollout’ no teny malaza 2021 any Aostralia: Milaza ankolaka ny famoahana vaksiny mitarazoka sy ny fanemorana ny hetsika momba ny toetrandro
Nivazivazy ilay mpanao sariitatra ela nihetezana Peter Broelman hoe '’Lava loatra ka tsy antonona pejy ny Jiolahin’olona tsy manam-pitiavana tsy mahita ny toetr'andro ary tsy miraharaha afa-tsy ny tenany ny governemanta.’’
Nandrombaka ny Loka Camões 2021 i Paulina Chiziane, mpanoratra Mozambikana
Teraka tao Manjacaze, Mozambika i Paulina Chiziane, 66 taona ary nianatra momba ny Fiteny tany Maputo. Tao anatin'ny 33 taona, fanintelony izao ny mpanoratra mozambikana no nahazo ny loka.
Misaona ilay Indiana mpiaro vehivavy Kamla Bhasin i Azia Atsimo
Namoy ny ainy tamin'ny 25 septambra 2021 tao New Delhi, India i Kamla Bhasin, mpisavalalana ny hetsika zon'ny vehivavy any Azia atsimo. Nahatsiaro azy tao amin'ny media sosialy ireo mpikatroka ary nisaona ny fahafatesany.
Sarimihetsika Indiana azo asolo: Nanaiky ihany ny handray ny fahasamihafàna ara-kolontsaina ve ny Netflix?
Netflix, izay lasa toerana fialamboly tsy maintsy lalovana ho an'ireo olona an-tapitrisa nandritra ny fihibohana lavabe nateraky ny valanaretina, dia mitrandraka famokarana vaovao any India, miala amin'izay efa nahazatra ny maso hatrizay.
Fahatsiarovana an'i Aimé Césaire
(Lahatsoratra tamin'ny volana Aprily 2008) Sary avy amin'ny mpisera Flickr Caboindex nampiasana lisansa Creative Commons Maty tamin'ny 17 aprily 2008 teo amin'ny faha-94 taonany i Aimé Césaire, poeta, Martinikey, mpanao politika ary Karaibeana mafana fo. Matetika tsy dia mahay miaraka firy loatra ny politika sy ny tononkalo kanefa manome tany...