Tantara mikasika ny Fandrahonana-lalàna tamin'ny Mey, 2019
Tatitry ny Mpisera: Mifantoka Amin'ny Google Sy Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ireo Mpanaramaso Sinoa Mialoha Ny Tsingerintaona Faha-25 -n'ny Tiananmen

Manomboka ao Shina ny tatitra amin'ity herinandro ity izay nanakanan'ny governemanta ny fidirana amin'ireo tolotra Google rehetra misy soramiafina na tsia ampiasain'ny Google ao amin'ny firenena ary nambaran'ny governemanta ny fisian'ny vava-ady iray vaovao anatin'ny adiny hanoherana ireo "tsaho anaty tambajotra": fampiasa fandefasana hafatra amin'ny aterineto
Venezoela: Mpisera Facebook notànana noho ny fandefasana sary “manakorontana”

Roa andro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tany Venezoela, nosamborin'ny manampahefana i Andrés Rondón Sayago izay voalaza fa nanaparitaka ny sarin'ireo biletàm-pifidianana nodorana. Nilaza ny manampahefana fa nalaina nandritra ny fifidianana ny taona 2007 ireo sary ireo fa tsy tamin'io fotoana io. Voampanga ho nizara ny sary tamin'ny "fikasana hanakorontana" i Rondón Sayago.
Rosia: Bilaogera nosamborina noho ny tsaho momba ny pesta aretitratra

Nosamborina ny 3 Desambra 2009 i Ivan Peregorodiev, mpianatra ho mpitsabo sady bilaogera 22 taona, noho ny fanelezana tsaho momba ny pesta aretitratra tao an-tanàndehiben'i Saratov. Niampanga azy ho nanely vaovao tsy marina mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana ny manampahefana.
Iran: Bilaogera noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra

Noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra ilay bilaogera Iraniana Hossein Ronaghi Malki araka ny filazan'ny reniny. Tany Teheran izy no manefa ny saziny 15 taona an-tranomaizina .