Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2019
Venezoela: Mpisera Twitter notanana noho ny fampielezana vaovao ” manakorontana”

Ny 14 Martsa 2013, notanan'ny manampahefana Venezoeliana i Lourdes Alicia Ortega Pérez satria voalaza fa "nisandoka ny mari-panondroan'ilay manampahefana tao amin'ny Sampan-draharaha Mahaleontena amin'ny Fisoratana Anarana sy ny Nôtera " ary nandefa hafatra tao amin'ny Twitter izay noheverina fa "manakorontana ny firenena".
Daroka baomba tamin'ny fiangonana sy hotely maro niteraka horohoro tao Sri Lanka
Anjatony ny maty sy maratra tamin'ilay andiam-pipoahana baomba tsara omana tao Sri Lanka. Nambaran'ny governemanta ny hametrahana fanaronan'afo mandritra ny 12 ora ary notapahina ny media sosialy.
Venezoela: Miroso ny lalàna mifehy ny aterineto, na dia misy fiovana aza

Ny lahatsoratra farany, izay tafaporitsaka tao amin'ny aterineto, dia mbola ahitana ny fitsipika milaza fa tompon'andraikitra amin'ny votoaty rehetra azo idiran'ny mpiseraserany ny mpamatsy tolotra aterineto ary tsy maintsy manana rafitra mba hamerana ireo hafatra voaràran'ny lalàna.
Venezoela: Nampiadi-hevitra be ny lalàna mifehy ny aterineto

Volana maromaro taorian'ny nielezan'ny tsaho, nohamafisina tamin'ny zoma lasa teo fa manomana fanavaozan-dalàna ny governemanta Venezoelana mba hifehezana ny fidirana sy ny fampiasana ny aterineto ao amin'ny firenena.
Mety hampiditra anao am-ponja ny ‘J'aime’ Facebook any Thailandy

Manara-maso ireo mpisera amin'ny teny lehibe toy ny "fanonganam-panjakana", "fanjakana", "zava-mahadomelina", "fivarotan-tena" sy ireo teny hafa izay heverina ho manan-danja amin'ny fiarovam-pirenena ao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka lehibe sy ny tambajotra sosialy ny manampahefan'ny polisy.
Venezoela: Nakatona ny Sary amin'ny Twitter, mbola mitohy ny fihetsiketsehana

Omaly, roa andro taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena, nitatitra olana maromaro amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala sasantsasany ny mpiserasera Venezoeliana. Voalaza fa nosakanana ireo tranonkala maromaro, ary tsy afaka nijery sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ny mpisera Twitter, izay tena nilaina tamin'ny fifandraisana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.