Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Marsa, 2019
‘Tsy raboto izahay!’ Fihetsiketsehana ao Berlin manohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eoropeana momba ny sivana amin'ny fampidirana votoaty antserasera
Olona 5.000 teo ho eo no nivory tao Berlin tamin'ny 2 martsa mba hanohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eorpeana mifehy ny zon'ny mpamorona izay mety hanova tanteraka ny fahavitrihana amin'ny fandefasana sy fizarana votoaty an-tserasera.
Mampiaka-peo manohitra ny volavolan-dalàna momba ny heloka an-tserasera ao Iràka ireo mpikatroka
Manome sazy an-tranomaizina lava ilay volavolan-dalàna, anisan'izany ny famonjàna an-tranomaizina mandrapaha-faty noho ny lahateny manohintohina.
Holandy: Firenena voalohany ao Eoropa ahitana tsy fitongilanana antserasera
Andro iray hankalazaina any Holandy ny 8 May 2012 noho izy lasa firenena voalohany ao Eoropa miaro ny olom-pireneny amin'ny alalan'ny fametrahana ny tsy fiandaniana amin'ny aterineto ao anaty lalàna.
Nahoana ny Repoblika Islamika no matahotra an'i Nasrin Sotoudeh?
"Manafintohina", "tsy rariny", "devoly" sy "henatra mitabataba" no anisan'ireo teny nolazain'ireo mpiaro ny zon'olombelona sy Iraniana maro ao amin'ny media sosialy momba ny fandrenesena ny vaovao manafintohina fa voasazy higadra 38 taona an-tranomaizina sy kapoka karavasy in-148 i Nasrin Sotoudeh, Iraniana malaza mpiaro ny zon'olombelona.
Delfi v. Estônia: Fampandraisana Andraikitra Ny Vohikala Web Amin'ireo Fanehoankevitry ny Mpampiasa Aterineto, Mety Hanakenda ny Fahalalahana Maneho Hevitra
Malalaka ny fanehoankevitra - mandrapiovany ho tsy toy izay intsony. Hanapa-kevitra tsy ho ela ny Fitsaràna Eoropeana mikasika ny Zon'olombelona raha toa ireo vohikala Web tokony ho tomponandraikitra amin'ny vontoatin'ny fanehoankevitr'ireo mpampiasa aterineto na tsia.
Tsy misy hetsika manohitra ny fanamelohana ilay mpisera Afgana ho faty
Mpianatra ho mpanao gazety tao amin'ny Oniversiten'i Balk ao Mazar-i Sharif i Sayed Parwez Kambakhsh. Nolazaina fa nandika tahaka lahatsoratra iray avy ao amin'ny tranonkala Iraniana nitsikera ny toeran'ny finoana Islamo momba ny fihetsika manoloana ny vehivavy izy, ary nilaza ny eritreriny manokana momba izany - tahaka ny fanaon'ny bilaogera.
Venezoela: Olona roa nosamborina ny noho ny sioka nanely tsaho momba ny banky
Nosamborina ny olona roa taorian'ny fandrahonana ireo mpisera Twitter noho ny hetsika nataony an-tserasera ary voampanga ho nanely tsaho momba ny rafitry ny banky. Fantatra fa i Luis Acosta Oxford (41 taona), ary Carmen Cecilia Nares Castro (35 taona) ireo voasambotra.
Inona no fantatrao momba ny fifidianana ankapobeny manaraka any Mozambika?
Hifidy ny governoram-paritra voalohany indrindra teo amin'ny tantarany i Mozambika amin'ny volana Oktobra 2019 hoavy izao . Ny filoha no nanendry izany teo aloha.
Polisy antserasera, Jeografia ao Iran
Nitatitra ny radiom-pirenena fa mikasa hanaparitaka "polisy antserasera" manerana ny firenena i Iran, nilaza ny Jeneraly Ahmadi Moghaddam fa "tsy misy fotoana hiandrasana" amin'ny fametrahana ny fiarovana farany an'ny Repoblika Islamika amin'ireo fahavalony tena izy sy fantany.
Miampy ny fanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK)
Misy ny raharaha ara-pitsarana vaovao mety hanampy trotraka ireo fiampangana fanalam-baraka sy fitoriana fanalam-baraka hanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK). Nitatitra ireo mpanao gazety vao haingana fa nametraka fitoriana azy tany amin'ny polisy ny Departemantan'ny Fampandrosoana ny Islamika (Jakim) sy ny sampana Miozolomana hafa.