Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Desambra, 2017
Maraoka: Fifidianana Frantsay
Mbola mifandray tsara amin'ny firenena (Frantsa) i Maraoka, amin'ny maha tany arovan'ny Frantsay azy taloha. Noho izany, tsy tokony mahagaga raha lohahevitra malaza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy tamin'ity herinandro ity ny fifidianana filoham-pirenena ao Frantsa ity.
Ny Show Global Voices Fahatelo
Indro ny fizaran-tantara fahatelo amin'ny Global Voices Show !
Rosia: Mihaino Ny Resaky ny Polisy Nandritra Ny Fihaonana Tao St. Petersbourg
Namoaka ny fandraisam-peo tamin'ny resadresaky ny polisy misahana ny rotaka naparitaka tamin'ny Diaben'ireo "Mpanohitra" tao Moskoa (RUS tamin'ny 14 Aprily sy tao St. Petersburg tamin'ny 15 Aprily i Marina Litvinovich - mpisera LJ abstract2001, lefitr'i Garry Kasparov sy mpanorina ny PravdaBeslana.ru.
Tontolo Arabo: Saribakoly Manao Saron-doha Voahenjika Tao Tonizia
Saribakoly Barbie amin'ny endriny Silamo Arabo i Fulla. Misaron-doha izy ary tena fitafy nentim-paharazana Silamo no itafiany. Tsy faly noho izany anefa ny bilaogera Ejiptiana Ahmed Shokeir ka nanenjika fatratra sy nanaisotra ity saribakoly ity teny amin'ireo toeram-pivarotana.