Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Febroary, 2016
Ny Tantara Am-Bavan'ny Lalàna Yogoslavy Miady Amin'ny Voaly Nanodidina Ny Taona 1950
Nolaniana ny lalàna "..hanatrarana ny tanjona fanesorana ny endrika fankatoavam-pangejana mariky ny taonjato talohabe sy ny fahatrarana aoriana mahazo ny vehivavy miozolomana"
Asa An-Terivozona Ho An'ilay Vehivavy Namerina Nandefa Tety Anaty Serasera Ny Fanakianana Ny Zavatra Nataon'i Rosia Tany Okraina

A Russian court found Vologzheninova guilty of "discrediting the political order" and of "inciting enmity" by reposting or liking online material critical of Russia’s actions in Crimea and in Donbas.
Polisy Ao Albania Mampiasa Hery Amin'ireo Mpanao Fihetsehana Miaro Ny Hany Sisa Mba Kianja Maitso Tavela Ho An'ny Daholobe Ao An-drenivohitra
Re nandrahona azy ireo ny manampahefana iray tao amin'ny polisy niteny hoe "Hisy rà mandriaka eto !"
Polisim-Pivavahana Saodiana 30 Mianatra Taranja Feno Iadiana Amin'ny Mazia Mainty
Mpikambana telopolo ao amin'ny Vaomieran'ny Fiarovana ny Hasina sy Fisorohana Ny Ditra no nanatontosa fianarana dimy andro amin'ny fomba fiadiana amin'ny mazia mainty, famantarana ny mpamosavy eny fa na dia amin'ny fanakanana ny teny fanonony aza.
Fotoam-pitsaràna Iray Manantantara Ho An'ireo Vehivavy Ao Goatemalà
Ao Goatemalà, ezaka ataon'ireo vehivavy maya-q'eqchie's ny hanamelohana ireo miaramila tomponandraikitra tamin'ny herisetra ara-nofo sy ny fitondra tsy mendrika ny maha-olona, feno habibiana ary manetry nanjo azy ireo teo anelanelan'ny 1982 sy 1983, nandritry ny ady anatiny mitam-piadiana tao amin'ny fireneny.
Tovolahy Namono Tena Rehefa Avy Nataon'ny Polisy Famotorana Tao Singapaoro
Hitanay fa fahadalàna izany hoe araha-maso mafy amin'ny fankatsary fiarovana maro ny toeram-bahoaka, kanefa tsy mba ahitana fakantsary kosa ny efitra famotorana isian'ny mangarahara amin'ny paikam-pamotorana, izay mety ilaina amin'ny tranga tahaka izao.
Tsssss! Mpanolotsaina Vaovaon'i Putin Momba Ny Aterineto, Voasaringotra Aminà Fijirihana Ny Aterineto

Ny mpanolotsaina vaovaon'i Putin amin'ny resaka aterineto dia fantatra amin'ny hamafiny manohitra ireo loharanona tambajotra vahiny izay mandika ny lalàna Rosiana. Ankehitriny voafatotra amina torrent tracker maro mampiahiahy i German Klimenko.
Tsy Ny Fanagiazana Ny Firavaka Ihany No Fiovàna Mahatsiravina Amin'ny Politikan'i Danemark Momba Ireo Mpitsoaponenana
Lazain'ilay lalàna fa tsy maintsy miandry telo taona ankehitriny ireo mpangataka fialokalofana vao afaka mameno antontan-taratasy ahafahan'ny vady aman-janak'izy ireo manatona azy, izay mety hanitsakitsaka tanteraka ny fifanarahana iraisampirenena nosoniavin'i Danemark
Mibahana Ireo Fitaovana Ahafahana Midify i Shina, Miaraka Amin'ny Fanampian'ireo Mpamatsy Tolotra “Cloud”

Vinavinain'ireo manampahaizana ho 1% hatramin'ny 3% eo ireo mpampiasa Aterineto ao Shina no mampiasa fitaovana fihodivirana mba hitsidihana ireo vohikala any ivelany. Fa mety hiova io miaraka amin'ireo fepetra vaovao.
Satria Mihataka Amin'ireo Fikambanana Momba Ny Zon'olombelona i Rosia, Mipoitra Ny Fanapahankevitra Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Fanjakana

Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona nanome rariny ny mpiaro ny fahalalahana miteny manohitra ny fanarahamaso ataon'ny governemanta Rosiana . Nefa noho ny lalàna vaovao, tsy manahy, amin'ny fomba ofisialy, i Rosia.