Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Desambra, 2015
Nanasazy Poeta Ho Faty i Arabia Saodita Ary Mandrahona Hitory Ireo Mpitsikera Ny Rafitra Famaizana
Voatsikera mafy ny didim-pitsarana indrindra tao amin'ny media sosialy, mampitaha ny fehezan-dalàna famaizan'i Arabia Saodita amin'ny novonoin'ny ISIS.
Mendrika Ny Tsaratsara Lavitra Noho Izao Ireo Mpiasa An-trano Any Amin'ny Ampahan'ny Tanibe Indiana
Karama kely, tsy fahampian'ireo fiarovana ara-dalàna, fanararaotana. Izany no fitondrana mahatsiravina azon'ireo mpiasa an-trano. Efa an-dàlana moramora nefa matotra ny fiovàna, tokatrano iray isaky ny mandeha.
Nahoana No Nanapaka Ny Arabe Ireo Sofina Goavambe? Mba Hanohitra Ny Fanarahamason'ny Fanjakana Ao Makedonia
Ilay fahainoana ara-elektronika atao hoe "baomba" navoakan'ireo lehiben'ny antoko mpanohitra efa ho iray taona lasa izay, no namboraka fa noraisina antsokosoko anaty rakipeo ny seraseran'ireo olona maherin'ny 20.000 tany Makedonia.
Rastafari Rootzfest, Mankalaza Ny Fanalalahan'i Jamaika Ny Rongony Mariroanà
Ny Rastafari Rootzfest -- "fetiben'ny ganja miaro fampianarana", voalohany ho an'i Jamaika hatrizay-- manokatra ny làlana ho an'ilay nosy mba hanamboatra ny marika amantarana azy amin'ilay indostrian'ny mariroanà (marijuana) vao mipongatra ho amin'ny tany tontolo.
Hahafoana ny fahafahana maneho hevitra ve ny naotin'ny polisy ao Indonezia miompana amin'ny tenim-pankahalana?
"Manome fitaovam-piadiana matanjaka hoan'ny polisy io, mamela azy hanapa-kevitra amin'izay mety ho heverina ho tenim-pankahalana na tsia, ary mety hiteraka olana sy mampidi-doza."
Ao Amin'ny Tatitra Momba Ny Fahalalahan'ny Aterineto Any Afrika, Tena Ratsy Ny Isa Azon'i Gambia
Gambia, ilay fanjakana kely any Afrika Andrefana, no faharoa amin'ny ratsy indrindra rehefa miresaka ny fahalalahan'ny Aterineto any Afrika atsimon'i Saharà.
Sambany Ny Sazy An-tranomaizina Voalohany No Hita Ao Amin'ny RuNet Noho Ny ‘Fampiroboroboana Ny Fihetsika Mahery’ Ety Amin'ny Media Sosialy
Namoahan'ny fitsaràna Rosiana iray sazy mihatra hiditra am-ponja ny mpampiasa iray voaheloka ho "nanao fampielezankevitra mampiroborobo ny fihetsika mahery tety anaty media sosialy," nanasazy azy hifonja herintaona any aminà toby iray fanefàna sazy.
Henjana Ny Fiainan'ireo Ankizy Boliviana Any Am-Ponja, Fa Mety Hihatsara Izany Ato Ho Ato
Bolivia no mety ho firenena tokana eto ambonin'ny tany izay matetika mampiditra am-ponja ny ankizy sy ny tanora miaraka ami'ireo nahitàny masoandro, raha toa ireto farany ka mbola manefa sazy noho ny fiampangàna azy ireo ho nanao heloka bevava