Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jona, 2015
Nahazo Rariny i Cheryl Miller, Raha Notazonina Tsy An-drariny Tany Amin'ny Toerana Fitsaboana Saina
"Iray amin'ireo fihetsika lehibe tsy misy fanajàna ataon'ireo mpikambana ao amin'ny asam-panjakana, eo ambany fanarahamason'ny Ministera mifanaraka aminy."
Toa Hoe Manaiky Hiforitra Amin'ilay Lalàna Momba ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ao Rosia ny Samsung
Ny honohono momba ny fiondrehan'i Samsung manoloana ilay lalàna vaovao momba ny angon-drakitra fijerena toerana dia tonga tao anatin'ireo tsaho nilaza fa marobe ireo orinasa goavana hafa momba ny teknolojia no nanaiky ny hamindra ny angona momba ireo mpampiasa azy ireny ho any amin'ireo lohamilina ao Rosia.
Vono Mpianatra Zazavavy Valo Taona tao Taiwan Miteraka Adihevitra Indray amin'ny Didy Fanamelohana Ho Faty
Na dia teo aza ny fankatoavana ireo fifanekena iraisam-pirenena sasany momba ny zon'olombelona, mbola mampihatra ny sazy fanamelohana ho faty izay ankasitrahan'ny ankamaroan'ny Taiwaney i Taiwan.
Nahoana No tsy Maintsy Resaka Kolikoly Ireo Fiampangàna Ny FIFA Ataon'ny Etazonia
Nisy resaka be mihisty mikasika ny antony ambadika nanosika an'i Etazonia tamin'ireo fisamborana ny ekipan'ny FIFA - noho izany, fakàna fahefana ve io sa fanaovana ny tokony atao?
Mpikatroka Rosiana: Mampiasa Ny Kiraro Avo Vodintongotra Sy Rojon'Alika Hanoherana Ny ‘Lalàn'ireo Tsy Mifaditra Ovana’
Natolotra ny Domà tamin'ny May lasa teo ny fanaovana lalàna iray mety hanitatra ny raharaha izay azon'ireo mpiandry fonja ampiasàna hery—hatramin'ireo fepetra mahafaty—rehefa miatrika ny zavatra rehetra miainga avy amin'ny famakiana fonja ka hatramin'ny gadra iray tsy manaiky fandaminana.
Mpikatroka Okrainiana: Ny Fomba Ampiasàny ny Youtube Hanoherana Ny Kolikoly Any Amin'ny Fitsaràna
Amin'ny alàlan'ny lahatsary ety anaty aterineto, ny fampitàna mivantana, ary ny fahaizana lalina ny resaka lalàna, noraisin'ny "Open Court," vondrona ahitàna mpisolovava sy mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona, ho raharahany manokana ny ady hatraiza hatraiza atao amin'ny kolikoly any amin'ny rafi-pitsarana.
Tsy Ara-dalàna Ao Rosia Intsony Ve Ny Anonymizers Amin'ny Aterineto?
Namoaka didim-pitsarana fanakatonana habaka voalaza fa "mpanafina anarana (anonymizer) ny fitsarana Rosiana," ka miteraka ahiahy fa mety ho voaràra ihany koa ireo fitaovana tahaka ny Tor sy ny tolotra mpanafina anarana proxy.
Notànan'ny Polisy Thailandey Ireo Mpianatra Mpanao Fihetsiketsehana Nandritra Ny Tsingeritaonan'ny Fanonganam-panjakana
"Tsy afaka manangana fiarahamonina demaokratika isika raha tsy manana fahalalahana, fahafahana, zo, rariny sy ny fampihavanana."
Hampangatsiaka Ireo Tsikera Ny Fanombohan'ny Pôlisin'ny Aterineto Ao Shina Ny ‘Fitsirihana Ny Resaka’
Ny fanombohana fandaharan'asa "Pôlisy Mpitsirika ny Aterineto sy ny Fampiharana ny Lalàna", dia mitaky ezaka mirindra bebe kokoa amin'ny fanamelohana ny teny aty amin'ny Aterineto.
Mety Ho Ratsy Nohon'ny Fitondrana Amin'ny Tany Misy Hotakotaka Ny Toko faha-44 Ao Thailandy
Tsy ao anaty fitondrana amin'ny tany misy hotakotaka intsony i Thailandy, nefa misy lalàna vaovao momba ny fiarovana nanome fahefana mivelatra sy tsy voafetra ho an'ny miaramila ao anatin'ny governemanta sivily.