· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2013

Fisintonana Ny Fahefan'ny Polisy Ao Jamaika ?

  24 Jolay 2013

Ny faran'ny volana May, nohararaotin'i Jamaika ny andro natokana ho an'ny Blaogy na Blog Action Day hiresahana mikasika ny famonoana ho faty tsy araky ny lalàna sy ny herisetran'ny polisy -kanefa ankehitriny, iray amin'ireo blaogera mpikarakara ny Andron'ny Blaogy JA no nanao tatitra mikasika ireo zavatra tsy afaka ataon'ireo polisy noho ilay didim-pitsarana vao nivoaka.

Nodimandry I Roberto Beličanec, Masedoniana Iray Manampahaizana Manokana Amin'ny Serasera, Mafana Fo Sady Bilaogera

Namoy ny ainy tamin'ny fijanonan'ny fony tampoka [mk] ny 29 Jona 2013 teo amin'ny faha 41 taonany i Roberto Beličanec, Masedoniana manampahaizana manokana amin'ny serasera, mafana fo sady bilaogera. Beličanec dia iray tamin'ireo olona vitsy niteny imasom-bahoaka momba ny fahalalahana sy ny zon'olombelona ao amin'ny fireneny, sahy nilaza ny marina tamin'ny Mpitondra [mk]. Nanana mpanara-dia maro izy tao amin'ny filazam-baovao sosialy noho ny fahasahiany hanohitra ny fanararaotam-pahefan'ny mpitondra, ny kolikoly, ny sivana ary ny lahateny manevateva

Manamarika ny ‘Telo Andron'ireo Voafonja’ ireo Saodiana fianakavian'ireo Voafonja

Nanamarika ny Andro Fahatelo ho an'ireo Voafonja ny fianakavian'ireo Saodiana voatàna am-ponja, mba ho fanoherana ny fitazonana tsy ara-drariny ireo havany. Iray amin'ireo firenena mbola mandàla ny fitondrana mpanjaka tsy refesi-mandidy eran'izao tontolo izao i Arabia Saodita sady manana ny isa tsy azo anoharana amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, izay misy olona mihoatra ny 30.000 voatàna tsy an-drariny.

Kerala, Sehatry ny Angovo avy amin'ny Masoandro ao India, Voasaringotra amin'ny Resaka Hosoka Ny Governemanta

  11 Jolay 2013

Raha nandrafitra ny politikan'ny angovo azo avy amin'ny masoandro mifantoka amin'ny fametrahana angovo azo avy amin'ny masoandro ho an'ny tsirairay ny fanjakana Indiana ao Kerala vao haingana, dia noheverina hitondra vaovao mahafaly ho an'ity fanjakana mangetaheta angovo fatratra ity izany. Saingy tsy ela, voasoketa anaty raharaham-panaovana mahavoaroiroy manampahefana ao amin'ny...

Morales Sy Snowden : Tezitra Noho Ny Olana Diplaomatika Ireo Filoha Any Amerika Latina

  07 Jolay 2013

Lasa sehatra ara-diplomatika isan'ny sarotra indrindra tao anatin'izay taona vitsy lasa izay ny tanànan'i Vienna, Aostralia, tamin'ny fotoana nanaovan'ny fiaramanidin'ilay Filoha Boliviana Evo Morales fipetrahana maika tao, nohon'ny fisian'ny fanakanana [es] an'habakabaka nataon'ny Espaina, Frantsa, Portiogaly ary Italia azy amin'ny fiahiahiana azy ho nanampy an'ilay mpamoaka tsiambaratelom-panjakana Edward Snowden hivoaka an'i Rosia. Naneho ny heviny mikasika ilay raharaha ara-diplomatika tao amin'ny Twitter ireo Mpitondra any Amerika Latina.