· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2012

Shily: Mananontanona ny lalàna manohitra ny fihetsiketsehana

  16 Jolay 2012

Niantso ny Kongresy hanaiky ny lalàna izay mitady sazy henjana kokoa ho an'ny mpanao fihetsiketsehana ny minisitry atitany Shiliana Rodrigo Hinzpeter, fanavaozana ny fadihevitra  tamin'ny herintaona tao an-toerana ihany izany. Nanomboka norafetina ilay lalàna taorian'ny diabe nataon'ireo mpianatra tao Santiago ny 28 Jona 2011, fihetsiketsehana izay niafara tamin'ny fifandonana mahery vaika...

Hong Kong: Nosavaina Ny Tranon'ny Mafana Fo Iray Noho Ny Fanendrikendrehana Ho Nisotasota Tamin'ny Aterineto

GV Mpisolovava  16 Jolay 2012

Tamin'ny 13 Jolay 2012, nisy vondrona mpitandro filaminana nanafika an'i Yang Yang (solon'anarana) tany an-tranony, mafana fo any Hong Kong ka naka an-keriny ny solosaina, ny lohamilina ary ny findainy...nolavin'i Yang izany fanendrikendrehana izany: "amin'ny maha-manampahaizana momba ny aterineto ahy, tsy hanao fanimbàna adaladala tahaka izaony aho. Ny solosaiko ao an-trano ihany ve no ho ampiasaiko? Mampihomehy izany. Na ohatra aza ka tena nanao izany fanimbàna izany aho, tsy ho fantatr'izy ireo mihitsy."

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Thomas Lubanga, Sazy Maha-be Resaka

  14 Jolay 2012

Ny 10 jolay lasa teo, ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny "Cour pénale internationale (CPI)" dia nanameloka ilay Kongole Thomas Lubanga Dyilo higadra 14 taona an-tranomaizina. Izy dia voampanga ho tompon'antoka taminà heloka an'ady tamin'ny fitsimponana sy fandraisana ireo ankizy latsaky ny 15 taona ary nampandray anjara mavitrika azy ireny taminà habibiana ny 1 Septambra 2002 hatramin'ny 13 Aogsitra 2003 tany Ituri, Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC). Tahaka ny maivana ihany ilay sazy raha ny hevitr'ireo mpiondana aterineto marobe.

Lahatsary: Manampy Ny Irakiana Hody An-Tanindrazana Ny Tetikasa Iray

Miezaka mafy manampy ireo Irakiana miandry ny fahavitan'ny atonta- taratasy fampodiana azy ireo ny Iraqi Refugee Assistance Project IRAP (Tetikasa Fanampiana Ireo Mpitsoa-ponenana Irakiana). Mitantara momba ireo mpitsoa-ponenana ity andian-dahatsary ity ary mampiseho ny politikam-piarovana amin’ny fanomezana solontena ara-dalàna  sy fanampiana ireo mpitsoa-ponenana rehefa tafody soa aman-tsara izy ireo, manampy azy...

Nikaragòa: Tsy Mijanona Ny Tolona Ho Fampitsaharana ny Fampiasana Ny Ankizy

  11 Jolay 2012

Tsy mora tokoa ny manandrana mampitsahatra ny fampiasana ny ankizy ao Nikaragòa, mampiseho ny antony mahatonga ireo ankizy marobe mbola miasa ity lahatsary manaraka ity na dia teo aza ny fisian'ny lalàna vaovao ....Na dia miasa mandritra ny tontolo andro aza izy ireo ka reraka vao mody an-trano, mirehareha tanteraka amin'ny fanampiany entiny ho an'ny fianakaviany ireo ankizy sy tanora ireo, ary tsy mandray izany ho toy ny "asa" na zavatra manitsakitsaka ny zony.

Arabia Saodita: Bitsika Hahatsiarovana llay Mpanohitra Voafonja

Taorian'ny fanonganana ireo filoham-pirenena Toniziana sy Ejiptiana, niparitaka ny antson'olon-tsy fantatra hanaovana "Androm-pahatezerana" any Arabia Saodita ny 11 Martsa 2011. Ho valin'izany, nanaparitaka ireo mpitandro filaminana maro tany amin'ireo tanàn-dehibe ny governemanta mba hahazoana toky fa hijanona anaty aterineto fotsiny ihany ny hetsi-panoherana. Lehilahy iray, Khaled Al-Johani, no nanohitra ary voasambotra tamin'io andro ihany. Mivondrona ireo mpampiasa aterineto hanintonana ny saina amin'ny tranga mahazo azy.