Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Avrily, 2019
Fandosirana avy any Okraina, na ny fodian'ny mpampihorohoro Voatabia
Roa taona lasa izay, saika roa taona katroka androany mihitsy, nanoratra tao amin'ny [Global Voices Report] momba ny fampiasana "mpampihorohoro voatabia" Andrei Morozov, fantatra kokoa amin'ny hoe Murz, mpanakorontana ao amin'ny RuNet izay nahazo laza voalohany tamin'ny taona 2005 aho:
Nahoana ireo Tseky sasany no milaza fa filohan'izy ireo ny filoha voafidin'i Slaovakia?
Raha nisaraka tamin'ny fomba ofisialy sy tamim-pirahalahiana tamin'ny taona 1993 i Slovakia sy ny Repoblika, dia mbola mifampizara rohy ara-kolontsaina, ara-toekarena sy ara-politika ny fiarahamon'izy ireo -- ka miantso an'i Zuzana Čaputová, filoha voafidy tao Slaovakia ho toy ny "filohan'i Tseky" mihitsy ny sasany amin'ny fiarahamonina Tseky.
Mampahalasa adala ny mpanao didy jadona ao Belarus ireo mpanao antso sangy ratsy amin'ny finday
Mety ho faly ireo mpankafy ny antso sangy ratsy ataon'i Bart Simpson amin'ny Tavern an'i Moe raha mahita fa manana vondrom-piarahamonina antserasera goavana natao hanao antso sangy ratsy i Rosia,
Môzambika/Brezila: Voatsikera Ny “Diplomasia Etanôla”
Nanameloka mafy ny fifanarahana nataon'i Brezila, ny Firaisambe Eoropeana sy Mozambika ny Friends of the Earth Europe sy ny ONG Justiça Ambiental noho ny fampiroboroana ny famokarana solika biolojika ao Môzambika. Atao kely ny haba ho an'ny etanôla afaran'ny UE fa hotohizan'ny UE ho asiana hetra kosa ny etanôla Breziliàna.
Libya: Rice, solika sy ny fampiasam-bola vahiny
Tonga ao Libya androany ny sekreteram-panjakana Amerikana, Condoleeza Rice, ary hihaona amin'ny mpitarika Libyana, Muammar Al Gaddafi." Nankasitrahan'ilay bilaogera ny fitsidihana, izay voalohany nataon'ny sekreteram-panjakana Amerikana tao anatin'ny 50 taona mahery, saingy nametraka fanontaniana tahaka ny hafa ihany koa izy.
Azia Atsimo-Atsinanana: Fitsangantsanganana An-Tsambo Mampanonofy sy ny Finamanana
Mandraisa sambobe fitsangantsanganana iray tsara tarehy, fenoy tanora 300 mafana fo avy amin'ny Fikambanan'ireo Firenena ao Azia Atsimo Atsinanana (ASEAN), ataovy ao koa i Japana, ary ireo hetsika ara-kolontsaina sy sosialy, dia afangaroy ao. Vokatra azonao: fifamatorana mafy sy finamanana mandra-maty