· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Desambra, 2018

India: Injeniera novonoina tany Afghanistana

  03 Desambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Fampahatsiahivana mampihetsi-po tamin'ny fomba maha-saropady ny toe-draharaha ho an'ireo Indiana miasa ao amin'ity firenena ity ny famonoan'ny milisy Taliban tany Afghanistana an'ilay injeniera Indiana, Suryanarayana.  Nangataka ny Indianina rehetra mba hiala any Afghanistan ny Taliban nandritra ny fe-potoana voafaritra raha toa...

Rosia: Politika Sy Fanakona-masoandro Tao Samara

  03 Desambra 2018

Ny 1 Aogositra 2008, andron'ny fanakonana tanteraka ny masoandro, tao an-tananàn'i Samara i Oleg Klimov, ilay Rosiana mpaka sary fanao an-gazety mba hihaona amin'ireo solontenan'ny mpanohitra eo an-toerana.

Pakistana: Bilaogin'ny Fiankinandoha

  01 Desambra 2018

Salama, Omer no anarako ary adalan'ny aterineto aho. Efa 8 taona aho izao no miankin-doha amin'ny aterineto ary manaiky aho fa mila fanampiana. Nanomboka tamin'ny fijerena mahazatra ireo vohikala vitsivitsy mpamoaka vaovao ny fiankinandohako, ary hatreo dia nivoatra ho 20 ora tsy diso isan'andro.

Pakistana: Bilaogin'ny Mpitarika

  01 Desambra 2018

Miaraka amin'ny fahatongavan'ny fanaovangazetin'olompirenena sy ny laza tsy miaton'ireo bilaogy ho loharanon'ny fijery sy vaovao tsy mitanila, tsy ho ela ihany koa ireo pitarika an'izao tontolo izao dia hanomboka ny bilaoginy manokana mba hahafahany miaro ny lazany, ka hanome antsika loharanom-kehy iray hafa ankoatra ny Fox News.

Pakistana: Bilaogin'ny Fiafenana

  01 Desambra 2018

Lalina avy ato anatin'ny toeram-piafenana ambanin'ny tany vao azoko aho no manoratra ity lahatsoratra ity. Tsy hoe akory be fanahiana ny amin'ny fifandirana mananontanona ao Afovoany Atsinanana izay hivadika nokleary, fa satria niakatra be ny lazan'ny bilaogiko: niala taminà mpanaraka roa mampalahelo ka nahatratra isa goavana, mpanaraka 3 sy tapany.